Tsy mbola miverina amin’ny teo aloha ny vidin’ny vary akotry akan’ny mpanagom-bokatra azy eny anivon’ny tantsaha ka anaovan’izy ireo antso amin’ny fanjakàna ny hijerena vahaolana amin’ny fahasairan’izy ireo. Tsy mbola niakatra araka ny niheverena aza mantsy ny vidim-bary na teo aza ny fampiharana fepetra isan-karazany. Isan’izany ny fividianan’ny orinasam-panjakana SPM ny tahirim-bary tany amin’ny tantsaha saingy tsy afa-po amin’ny vidim-bary ireo tantsaha mpamokatra...

Niaina fahasairanana moa ireo mpamokatra ireo manoloana ny vidin’ny vary akotry ambany tsy toa ny isan-taona ka nahatonga azy nitaraina tamin’ny fitondrana. Isan’izany ny tantsaha tany amin’ny faritr’i Bongolava. Faritra isan’ny mamokatra vary an-tanety be indrindra eto Madagasikara.

Tsara ny voka-bary tao aminy tamin’ity taona ity amin’ny ankapobeny. Hetahetan’ny tantsaha hoy ny solombavam-bahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy RANARIVELO Lucieny hijerena vahaolana hampidinana ny vidin’ny entana ilain’izy ireo andavan’andro na ny PPN fa tsy mifandanja ny vola miditra aminy sy ny fandaniana ataony.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...