Mila mandray andraikitra amin’ny fahasimban’ny tontolo manodidina sy ny ala ao amin’ny toerana misy azy ny tantsaha eny ambanivoitra. Mila fahaizana sy fifehezana ny teknika nefa ny fanataterahana izany. Mahatsapa izany ny Réseau SOA ka nampiofana tamin’ny alalan’ny atrik’asa momba ny tsara ho fantatra amin’ny fanarenana ny tontolo manodinana sy ny ala na ny RPF tao Antanetibe Mahazaza ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo an’ireo mpikambana avy amin’ny fikambanana SoaMitsinjo sy ny Filamatra Soa Iombonana na ny FISOI...

Atrik’asa nandritra ny roa andro nokarakain’ny Reseau SOA ary notohanan’ny FAO amin’ny alalan’ny FFF FAO. Nomena fahalalana momba ny famolavolana ny drafitr’asa fanatanterahana izany na ny PUAT koa ireo mpiofana nandray anjara. Fihofanana niarahana tamin’ny tompon’andraikitry ny kaominina Antanetibe Mahazaza sy Mahitsy. Ny hanamafisana ny fifehezan’ny mpisehatra ny dingana atao amin’ny RPF sy ny famolavolana ny PUAT no tanjona. Mifameno ny RPF sy ny PUAT hoy hatrany ny mpampiofana Andriamatoa Njaratiana RABEMANANTSOA.

Naneho ny fahafahampony nandritra ny atrik’asa nanovozan’izy ireo fahalalana momba ny fanarenana ny tontolo manodinana sy ny ala na ny RPF tao Antanetibe Mahazaza ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ireo mpikambana avy amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo sy ny FISOI, mivondrona ao amin’ny Réseau SOA nanatrika izany. Feno ny fahalalana azo ary tsy azo idovirana hoy izy ireo ny fanatanterahana izany manoloana ny fahasimban’ny ala sy ny tontolo manodidina izay ankehitriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...