Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo. Mifampizara traik’efa momba ny fikarohana amin’ny famokarana izy ireo mba afahana manatsara hatrany ny vokatra. Fahombiazana no azo tao anatin’izay 20 taona mahery nijoroan’ny fikambanna izay, indrindra ny fanatsaràna hatrany ny famokarana ny zezika kakana amin’ny alalan’ny fikarohana tsy mitsahatra...

Firenena isan’ny manana ny zezika kankana tsara kalitao indrindra ny eto Madagasikara ankehitriny amin’ny alalan’ny fikarohana ataon’ny Fikambanana Lanja Miakatra tarihan’i Papa Bio na i RANAIVOARISON Basil.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...