Vonona hampiroborobo ny toekarena ao aminy amin’ny alalan’ny fizahan-tany ara-tontolo iainana noho ireo harena voajanahary ao aminy ny VOI ao amin’ny nosy Sakatia Nosy Be. Nitsidika ny sehatr’asan’ny Vondron’Olona Ifotony tao Anja sy Tsaranoro samy ao amin’ny distrik’Ambalavao faritra Matsiatra Ambony izy ireo mba hitondra traik’efa hoan’ny VOI any DIANA ankohatra ny ao Sakatia...

Efa lasa lavitra amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahan-tany amin’ny alalan’ny harena voajanahary ao aminy mantsy ny ao Anja sy Tsaranoro. Noho tohana nataon’ny tetik’asa GEC BATAN sy ny kaominina an-drenivohitr’i Nosy Be ary ny DREDD DIANA no nahafahan’izy ireo nitsidika tao Anjaha sy Tsaranoro. Nanohana ara-kevitra izy ireo hoy Ramatoa Be Elisa Laurie, filohan’ny VOI Sakatia:

Tafiditra anatin’ny famidram-pitantanana ny VOI RASIS (Regroupement des Acteurs pour la Sauvegarde de l’ile de Sakatia). Tamin’ny taona 2002 izy ireo no nahazo ny famindram-pitantanana voalohany. Ny 15 jolay lasa teo no nahazo fifanarahana fahatelo fifanekena fifindram-pitantanana avy amin’ny DREDD DIANA indray hoy Ramatoa Tsialiva Diane Lolita, tompon’andraikitra ao amin’izany DREDD DIANA izany.

Manohana ny vondron’olona ifotony miaro ny harena voajanahary ao aminy ny kaominina an-drenivohitra Nosy Be. Mendrika Hitondra tombony hoan’ny kaominina an-drenivohitra Nosy be ny nahazoan’ny VOI ao amin’ny Nosy Sakatia ny fifanarahana fahatelo fifanekena fifindram-pitantanana avy amin’ny DREDD DIANA hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna ao Nosy Be Masaoudy Aly Amady.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...