Ho hitan’ny mpanjifa ato ho ato ny mari-pamantarana na ny label ahalalana ny vokatra avy amin’ny ronono vokarin’ireo mpamokatra ao amin’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB. Eo ampanomana izany amin’izao fotoana izao ny tompon’andraikitra. Lalana iray ahafahana manome antoka ny mpanjifa izy io hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana Safidy Rabemananjara fa manaraka ny kalitao sy ny fenitra ara-pahasalamana ny vokatra atolotra azy ireo. Te hametraka sy hisitona ny sain’ny mpamokatra sy ny mpanodina ary ny mpiatsehatra rehetra amin’ny lalam-pihariana ronono ny MDB fa vokatra fantatr’olona ny vokatra voamarina...
Fomba ahalalana ny loharano nipoiran’ny vokatra io mari-pamantarana io ka afaka misafidy tsara ny vokatra mety aminy ny mpanjifa sy ahafahana mifaninana ihany koa amin’ny vokatra avy any ivelany. Tsy mitsahatra manome tosika ny ara-teknika ny MDB mba ahafahana manatratra izany tanjona izany. Toa izany koa ny lafina ara-pitantanana sy ny momba ny fandrindrana ny lalam-pihariana ronono eo anivon’ny firenena hoy ny filohan’ny MDB Safidy Rabemananjara.
Mahatoky Andriamatoa Safidy Rabemananjara fa ho tratra ny fahabangan’ny vokatra ronono eto Madagasikara. Efa manao ny ezaka momba izany ny MDB sy ny ministeran’ny fiompiana. Tsy ny eto anivon-tany ihany izany fa hatrany antsimon’ny nosy amin’ny alalan’ny fanatsaràna ny taranak’osy manome ronono betsaka.