Isany olana goavana sedrain’ny tantsaha eto Madagasikara ny tsy fahitana ny lalambarotra amin’ny vokatr’izy ireo. Sehatra nampifandraisana ny tantsaha mpamokatra sy ny orinasa mpanodina ny vokatra, ary nikatsahana lalambarotra vaovao hoan’ny mpamokatra ny tsenabe iraisampirenena momba ny Fambolena na FIA andiany faha valo, nampiarahina tamin’ny festivala iraisampirenena momba ny sakafo andiany faharoa...
Hetsika ara-toekarena nanomboka ny alakamisy 10 hatramin’ny Alahady 13 Septambra 2026 ary mpiahy voalohany izany ny ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy ny ministeran’ny fiompiana. Trano heva miisa 250 no hita tetsy amin’ny CCI Ivato nandritra ireo efatra andro ireo, ary mpitsidika miisa 5 arivo sy 2 alina no nandrasana.
Nanentana ny mpandraharaha misehatra amin’ny famokarana eny ambanivohitra mba hampihatra ny teknolojia moderina ny minisitry ny fiompiana mba tsy hahatara antsika amin’ny sehatry ny fanantontoloana. Efa mampihatra izany mantsy ny mpamokatra lehibe any ivelany hoy izy, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Foara Iraisam-pirenena ho an’ny Fambolena sy ny festivala iraisam-pirenena ho an’ny hay sakafo tanterahina, etsy amin’ny CCI Ivato.
Ilaina koa hoy ny ministra RANDRIANOMENJANAHARY Riana Nantenaina ny fampivondronana ny mpamokatra mba hahafahana manamora ny fampifandraisana azy ireo amin’ny lalam-barotra sy ny orinasa mamokatra. Mifameno amin’ny tontolon’ny varotra sy ny indostria ankoatra izay ny famokarana eny ambanivohitra ka nisaorany ny minisitera misahana izany, mifanolo-tanana amin’izao hetsika izao.