Nomarihana ny 28 septambra teo ny andro eran-tany iadiana amin’ny haromontana. Mila manamafy ny fitandremana ny faritra maro eto amintsika fa ahitàna ny aretina haromontana mahazo ny biby mafàna rà toa ny alika sy ny saka any amin’izy ireo. Dia ny eto amin’ny faritra Analamanga, Vakinakaratra, Sofia, Itasy, Bongolava, Betsiboka, Atsinanana ary Androy...

Maherin’ny 160 ny tranga ahiana ho haromontana hoan’ny biby ka ny 40 mahery amin’ireo no tranga voamarina tamin’ity taona ity.Aretina mpahazo ny alika na ny saka ary mifindra amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny kaikitra na ny rangotr’ireo biby ireo ny haromontana ary mety hiafara amin’ny fahafatesana raha tsy voatsabo. Tsy misy afatsy ny fanaovana vaksiny ny biby fiompy ihany no fomba mahomby hiadiana amin’ity aretina ity.

Paik’ady koa ny famosirana ny alika hisorohana ny fiparitahany eny amin’ny fiaraha-monina. Misy àry ny hetsika manokana iadiana amin’izay haromontana izay nanomboka ny 28 Septambra hatramin’ny faha 24 n’ny volana oktobra 2026 ho avy izao hoy Dokotera ANDRIANASANDRATRA Haingotiana Zoarimamy, tale misahana ny sampandraharaha fitsaboana ny biby ao amin’ny ministeran’ny fiompiana.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...