Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ny fikambanana Union MATANJAKA ao amin’ny faritr’i DIANA. Manana tetik’asa iarahana amin’ny Réseau SOA tohanan’ny F.F.F- F.A.O izy ireo. Tetik’asa famokarana zana-kazo sy fambolena hazo. Misitraka ny tetik’asa ny Fikambanana FIVEMPISA ao amin’ny kaominina Sajoavato, distrikan’Antsiranana faharoa. Zava-dehibe ho azy ireo io tetik’asa io satria ao Antsiranana faharoa no misy ny faritra arovana miisa 9 amin’ireo 19 any amin’ny faritr’i DIANA...
Efa mipaka any amin’ny tantsaha mpahazo tombotsoa ao Sajoavato ny fifandraisan’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny famokarana sakafo. Tanjona kendren’ny fikambanana ny hamokatra zanakazo iray alina isa amin’ny taona ho avy hoy Andriamatoa Arnaud Richelin, mpandrindra ny Fikambanana Union Matanjaka, DIANA.
Efa 20 taona mahery nijoroany ny UNION MATANJAKA, fikambanamben’ny tantsaha mpamboly sy mpiompy misandrahaka ao amin’ny distrikan’Antsiranana faharoa.