Misy fivoarana ny famokarana ara-biolojia eto Madagasikara. Nodinihana teto andrenivohitra tamin’ny alalan’ny atrik’asa teny Ankerana ny volana oktobra 2026 ny vokatry ny andrana natao tamin’ny faritra miisa telo, dia i Vakinakaratra, Analamanga ary Itasy momba ny rafitra manome taratasy, miantoka ny maha ara-biolojia ny vokatra ara-pamokarana, miorina amin’ny fahatokisana, ny fangaraharahana ary ny fandraisan’anjara miaraka na ny Système Participatif de Garantie-SPG...
Lalana iray soritin’ny lalàna momba fambolena ara-biolojia laharana 2020-003 mamaritra ny fomba roa ahafahana manamarina, ny vokatra ara-biolojia izy io. Misy ny fanamarihana ataon’ny sampan-draharaha manokana mpanome ny certificat momba ny famokarana ara-pambolena hoan’ny vokatra aondrana ao amin’io lalàna io ary ity SPG ity kosa ny iray hoan’ny tsena anatiny.
Nandray anjara tamin’ity atrik’asa teny Ankerana ity ny mpisehatra ara-biolojia, ny mpamokatra ireo manam-pahaizana manokana mba ahafahana manabe voa kokoa ity SPG ity, mba ahafahana manome taratasy antoka sy hanandratana ny fanao ara-pambolena maharitra.
Mahatratra 600 sy 5 arivo taonina isan-taona ny vokatra ara-biolojia eto Madagasikara. Nisy ny famoahana tondrozotra hanatsaràna ny tontolon’ny famokarana ara-biolojia eto Madagasikara nandritra ny atrik’asa araka ny Fanazavan’ny tale jeneralin’ny Fambolena, ao amin’ny ministeran’ny Fambolena Lovaniaina RAKOTONDRANAIVO.