Mitohy ny sehatr’asan’ny Foibe FAFIALA momba ny fampandrosoana ny tontolo eny ambanivohitra. Nikarakara atrik’asa nandritra ny roa andro ny 17 sy ny 18 Novambra 2026 teny amin’ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, distrikan’Antananarivo Avaradrano entina hampiroboroboana ny lalam-pihariana landy eto Madagasikara ity Foibe FAFIALA ity. Foibe 30 taona mahery misehatra amin’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fampitàna ny haitao ara-pamokarana ananany ny FAFIALA...

Tanjona amin’ny atrik’asa ny hikarohana ny olana amin’ny seha-pihariana landy mba ahafahana manampy ny seha-pikarohana hitadiavana vahaolana hanarenana izany hoy ny tale mpanatanteraky ny Foibe FAFIALA Razafindralaisa Harinaina Léon.

Isan’ny olana ny tsy fahampiana akora vokatry ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Nandray anjara tamin’ny atrik’asa ny mpisehatra rehetra amin’ny lalampihariana landy, mikaon-doha momba ny fototry ny olana ary mitady vahaolana.

Misy ny seha-pikarohana ataon’ny FAFIALA amin’ny fampiroboroboana ny fiompiana landy eto amintsika indrindra fa ny landy kely manomboka any amin’ny famokarana ka hatrany amin’ny fanodinana ny vokatra ka tafiditra amin’ny sehatr’asany tsara izao atrik’asa tanterahana izao. Antsafa tamin’ny tale mpanatateraky ny FAFIALA, Razafindralaisa Harinaina Léon.

[Miara-dàlana] Zoma 20 novambra 2026

• Fiofanana maharitra sy faharetana mivavaka no nanentanan'ny Eveka ireo pretra diosezanina, mba hiatrehana ny fanamby ankehitriny… • Nitantara ny vokatry ny fitsidihana Apostolika tany Amerika Latina, ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo… • Any Odessa, simba taorian'ny fanafihana rosiana, ny Katedraly katolika…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...