Mikisaka any amin'ny faritr'i Menabe ny tsy fahampian'ny rano enti-mamokatra noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana. Misedra fahasahiranana noho izany ny mpamboly ka anairan'ny filohan'ny tranoben'ny tantsaha any amin'izany faritra izany ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny hamaha ny olana...

Isan'ireo faritra niaina ny fahataran'ny rotsak'orana ny ao Menabe. Tsy toa ny isan-taona ny fambolena tamin'ity taona ity ka mety tsy toa ny isan-taona ihany koa ny vokatra miakatra. Vahaolana azo antoka hitohizan'ny famokarana tsy amin'izao taom-pambolena izao ihany fa ny amin'ny manaraka ihany koa hoy Ramatoa Rasoloniaina Veronique ny fanaovana lava-drano mba ahafahana manondraka ny fambolena. Faritra tena mamokatra mantsy i Menabe. In-droa mamoka-bary farafahakeliny izany faritra izany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...