Sambany isika teto Madagasikara no nankalaza ny andro eran-tany ho an'ny tantely tamin'ity taona ity. Manan-danja lehibe amin'ny fiainan'ny olombelona sy ny famokarana ny tantely... 

Ahiana ho tsy misy ny roa ampahatelon'ny famokarana raha toa ka tsy misy ny tantely. Manome lanja ny anjara asan'ny tantely amin'ny famokarana ny Fanjakàna Malagasy. Antony nankalazàna ny andro eran-tany ho an'ny tantely ny 20 mey lasa teo ka tao amin'ny kaominina ambanivohitra Anjepy, distrika Manjakandriana no nanaovana ny lanonana ofisialy momba izany. " Tantely aina mamelona aina, arovy izy ireo", izay no lohahevitra nankalazàna ny andro eran-tany ho an'ny tantely tamin'ity taona ity. Maro ny mpiompy tantely ao Anjepy, isan'izany Andriamatoa Randriamaharomanana Anjarasoa. Mahavelona tsara hoy izy ny fiompiana tantely ; hany olana ny aretina "varoise" izay mbola misy ankehitriny. Izy izay nankasitraka ny Fanjakàna nanome lanja ary manohana ity lalam-pihariana iray ity.

Nanome voninahitra ny lanonana tany Anjepy ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono sy ny solotenan'ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena na ny FAO. Seha-pihariana azo trandrahana tsara ny fiompiana tantely. Manana paik'ady hanatsaràna ny kalitaon'ny vokatra ny eo anivon'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono hoy ny ministra Ranarivelo Lucien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...