Ny fihavanana no tena ilaina amin'izao olana misy eto amin'ny firenena izao, izay kolontsaina fototra mitondra amin'ny lamina sy rindra, loharanon'ny fivoarana. Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia ilay ny fanomezan-danja sy fihainoana ny hetahetan'ny rehetra. Ny famelan-keloka dia isan'ny toetsaina mitondra amin'ny filaminana sy firindràna, tsy misy mahita soa amin'ny fifampiandaniana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.