Ny fahaiza-mihaino dia manamafy ny fifandraisana, izay fototry ny fifampitokisana. Ny fifampitokisana dia ilaina eo amin'ny olon-droa mifankatia na ankohonana, fiaraha-miasa, ny mpitondra sy ny vahoaka. Zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fisokafana eo amin'ny mpitondra sy vahoaka, miteraka fanantenana lehibe izany ; voaporofo ny fananana fahafahana raha tsy hilaza afatsy ny fahafahana mivory sy miteny. Tena ilaina ny toe-tsaina tena tompon'andraikitra ho fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena, ilaina ihany koa ny tsikera ombana soso-kevitra miabo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.