Vavolombelon'ny fifankatiavana eo amin'ny mpivady ny tokantrano maharitra an-taonany maro ; andry telo hiorenan'ny tokantrano ny fifampitokisana, ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ho fanavaozana ny rafitra misy ankehitriny : ilaina ny finiavana hifanatona sy hifampihaino. Ny fanovana toe-tsaina miainga amin'ny tsirairay no fototry ny fanovana, ilaina ny fanaingana ny fanavaozana avy any ifotony amin'ny alalan'ny fakan-kevitra any amin'ny Fokontany sy ny isam-pikambanana na vondrona maro lafy. Hatafitàna amin'ny tanjona iray dia tsara raha atao mazava ny ... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.