Ny tafika no nisantatra ny fanavaozana, nampitodika tamin'ny tantara nisy ny zava-mitranga ankehitriny, mampisy fanantenana ny fandraisan'andraikitry ny foloalindahy. Ilaina ny fahitsiana amin'ny asa aman'andraikitra tanan'ny tsirairay mba ho asa vita tsara sy andraikitra tontosa antsakany sy andavany. Tsara toerana koa ny "Dinam-piaraha-monim-pirenena" miohatra amin'ny Lalam-panorenena satria iry voalohany dia niainga teny ifotony ary mahakasika kokoa ny fiaraha-monina manontolo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.