Ny fahombiazana dia miainga amin'ny fanadiovana ary ny fanarenana marina dia ny tsy fiankinana amin'ny tsindry aloka avy any ivelany na ireo Malagasy mpambotry sy mpangorin-karena, mpanao ampihimamba fahefana. Ho fanavaozana ny firenena dia ilaina ny firaisan-kina, ny fahavonona, ary ny fanapahan-kevitra matotra. Ny tena ray aman-dreny dia ireo izay mitsinjo ny ho avin'ny taranany. Ny fisokafana sy fiaraha-miasa amin'ny hafa dia harena lehibe afahana mampandroso ny tena sy ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...