Ilaina ny fahafantarana ny tantara, ny 14 oktobra dia daty manana ny tantarany ho an'ny firenena Malagasy, nahaterahan'ny Repoblika Voalohany. Nankalazaina ary natao ho fety hatramin'ny taona 1972, ny andro nahaterahan'ny Repoblika. Taty aoriana dia natambatra tamin'ny fankalazana ny 26 jona ny fetin'ny Repoblika sy ny fetin'ny Fahaleovantena. Nisy ireo dingana nolalovana mialoha ny 14 oktobra : ohatra ny 1944 nisian'ny Conférence de Brazzaville, izay niresahana ny famotsorana ireo firenena voazanaka ; teo koa ny Conférence de San Francisco ny taona 1945... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...