Ny fianakaviana dia antso sy fanomezana manokana avy amin’Andriamanitra, toerana voalohany itomboan’ny fitiavana sy ny fanantenana. Toy ny zaridaina, mila fikarakarana sy fitiavana ary faharetana ny fiainam-pianakaviana mba hahafahana miaina sy manome aina vaovao ho an’ny tsirairay. Amin’ny alalan’ny Sakramenta, indrindra ny Mariazy sy ny Eokaristia, dia omban’Andriamanitra sy ampaherezina ny mpivady sy ny fianakaviana. Ankehitriny dia antsoina isika hikarakara sy hanatsara ny fifandraisana, ny fihavanana ary ny fahamasinana ao anatin’ny fianakaviana... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...