Ny herisetra dia miseho amin’ny endrika maro, toy ny herisetra ara-batana, ara-moraly, ara-nofo, ara-toekarena… Maro ny antony mampirongatra izany, an'isany ny kolontsaina sy ny fomba fijery raiki-tampisaka ary ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-moraly, ka ilaina ny mihaino sy manampy ireo niharam-boina mba hanarenana ny ratra ara-tsaina sy ara-tsosialy mianjady aminy. Manana andraikitra lehibe ny Fiangonana amin’ny fametrahana rafitra fiarovana, fanofanana ireo mpisehatra, fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana sy ny ONG... Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 2 nôvambra 2026

• Volana nôvambra, fotoana anentanan'ny Eglizy ny fahatsiarovana sy ny fitondrana am-bavaka ireo efa nodimandry… • Tonga eto Madagasikara tamin'ny sabotsy 31 ôktôbra 2026, ny Lehiben'ny Fikambanana Ordre des Carmes Déchaux maneran-tany… • Antso iombonana ny fahamasinana fa tsy tombony ho an'ny olona tsirairay manokana, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...