Ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana no antoky ny fivelaran'ny zanaka. Manandanja ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana, izay hampitain'ny ray aman-dreny amin'ny zanany. Ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana dia fomba afahana mamelona indray ny fihavanana sy ny firaisan-kina, mamerina ny fifanajana. Ny Malagasy no tena mahalala ny atao hoe "fihavanana" izay teny malagasy tsy misy dika teny hafa. Ny Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco. 

Ny fahasalamana dia tsy tomombana raha tsy mahakasika ny vatana, saina, fanahy. Ny sakafo ara-pahasalamana sy madio, maro loko sy miovaova dia isan'ireo singa fototra loharanon'ny fahasalamana. Ny torimaso sy ny fahadiovan'ny vatana dia singa hafa ahazoana fahasalamana ihany koa. Ahitana trangana areti-maso any Mahajanga izay misy fambara : Mena ny maso, mangidihidy, misy tai-maso, mihena ny fahitana, fanaviana, aretin'andoha, mijohy fotsiny ny ranomaso, mivonto. Areti-maso mifindra amin'ny fifampikasohana koa mila manadio tanana matetika amin'ny rano sy savony, aoka tsy hikasika matetika ny maso. Ny Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco. 

Fanontaniana mipetraka ny hoe malagasy manao ahoana no afaka mifanampy hampandroso an'i Madagasikara. Fanabeazana sahala amin'ny ahoana no tsy maintsy hapetraka mba ho singa hampandrosoana ny firenentsika. Ny fanabeazana no tsy maintsy hatao laharam-pahamehana raha toa ka manana vina hampivoatra ny firenena iray. Ireo fitsipika hamari-pototra ny fanabeazana :  fifanajana, fametrahana sy fanarahana fitsipika, miezaka ho maodely tsara, fametrahana tontolo mahafinaritra hanamorana io fampitana fanabeazana... Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin'ny Ramatoa Aliette Abraham. 

Ny toe-tsaina fototra entina miatrika fiainana no loha-hevi-dehibe noresahina nandritra iny taona iny : Fahaizana mandanjalanja, fahaizana manaiky sy miatrika fiainana, finiavana hanao ezaka ho fampandrosoana ny firenena,  fametrahana toe-tsaina tia mifaninana, fanomezana hasina ny tena sy fanajana ny hafa, fitazomana ny teny nomena, fahaizana miaro sy mitantanana ny tontolo iainana mba ho lovain-jafy. Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin'ny Ramatoa Aliette Abraham. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...