Ny atao hoe lefakozatra dia aretina mifindra, azo avy amin'ny tsimok'aretina polio, izay mety mahatonga fahalemena tampoka, manome takaitra mandramaty, ary mety mahafaty. Ny fifindrany dia amin'ny alalan'ny sakafo tsy madio, tanana misy tsimok'aretina. Ny zaza tsy vita vaksiny na tsy ampy fatra ny vaksiny natao taminy no mety hanaparitaka na hararin'ny lefakozatra. Ny tay miparitaka no manaparitaka ny tsimok'aretina eny amin'ny tontolo iainana. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Ny tevii-doha dia teny ara-pitsaboana ampiasaina hilazana ny mandeha ran'orona. Mora mandeha ra ny orona noho ny toerana misy azy eo amin’ny tarehy sy ny akaiky ny lalan-dra ao amin’ny fonon’ny orona. Misy karazany roa ny tevi-doha : tevi-doha hita ivelany, tevi-doha anaty zany hoe aorian'ny kambon'orona. Ny ankizy 5 hatramin'ny 10 taona no matetika mandeha ran'orona, misy ihany koa anefa ny olon-dehibe. Mety ho vokatry ny dona na aretina hafa no mahatonga ny tevi-doha, toetr'andro. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Tsy aretina ny "fanina" fa fambaran'aretina, izany hoe fambara fa misy tsy araka ny tokony ho izy ny fahasalamana ao aminao. Ny olona fanina dia mahatsiaro tena. ; mety tranga mandalo, mety maharitra, mety miverimberina. Ny fanina dia misy tranga hafa miaraka aminy toy ny : maneno ny sofina, marary ny andoha, mitebiteby, maloiloy, mandoa, tsemboka. Ny "systeme vestibulaire" izay ao anatin'ny sofina no mandrindra ny horira antsika, raha misy mahakasika io dia izay no miteraka ilay fanina. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Ny "aphte" dia aretin'ny ati-vava, fery tsy lalina, tsy mandeha ra, tsy mamindra. Ny faritra mety hisy azy : lela, atin'ny takolaka, ankanjo-nify, lanilany, ati-tenda ; ny endriny dia boribory mavo na volon-davenona, voadidina mena. Ireo antony mahatonga azy : ati-vava voakitika matetika, vokatry ny fampiasana anesthésie, ny fihinanana sakafo mamay loatra, fampiasana borosy-nify mahery loatra, reraka, tratran'ny hitakitaka, fikorontanan'ny tsirim-panentana, tsy fahazakana fanafody. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...