Ny faharerahan-tsaina dia miteraka famoizam-po. Ny famoizam-po mitondra ho any amin'ny famonoantena.  Mba hisorohana zavatra maro dia ilàna fitandremana ny "faharerahan-tsaina". Fandaharana "Mba ho vanona" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny olona tsirairay dia tsy maintsy manana vina sy tanjona raha te-ho tafita eo amin'ny fiainana. Io vina sy tanjona io dia azo avy amin'ny fananana "fahefana anaty" izay fanalahidin'ny fiainana manontolo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ireo antony mahatsara ny fianakaviana : mahay mifampikarakara, mifampihaino, mifanakaiky am-po ary mahay mifampahery. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.

Vaovao ny taona (2023), firariantsoa no tsara hifampizarana. Hirina mba hitondra fahatsaram-piainana noho ny vina sy ny tanjona ity taona ity. Mamporisika antsika hanao ezaka ary hijoro amim-pahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Ramakavelo Désiré.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...