Manana ny lanjany ny safidy eo amin'ny fiainantsika manokana, sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny safidy dia fomba fifandraisan'olona roa, napetrak'Andriamanitra, na sehatra roa samihafa, ka hahitana vokatra tsara ho an'ny andaniny sy fahafahampo ho an'ny ankilany ; taratra ao anatin'izany ny fifanajana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny safidy dia isan'ny maha-olombelona ; ny anjely dia tsy manan-tsafidy fa manatanteraka hiraka fotsiny. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra ary nomena ny olona tsirairay. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...