Samy manana ny toerany sy ny andraikiny ny rehetra ao anaty fianakaviana iray. Ny fiarahan-dian'ny rehetra ao anatin'izany no nitondra ny hasambarana sy hafaliana eo amin'ny fiainan-tokantrano. Na inona na inona olana sedraina dia niaina hasambarana sy fitiavana hatrany ny tsirairay. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.

Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana: aoka tsy hanenenana na inona na inona, andao hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Zo ny mifidy ary malalaka ny rehetra na te hampiasa ny zony na tsia, torak’izany koa ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana.Na izany aza, mba ho solontenan'ny vahoaka malagasy, ary ho an'ny demokrasia ity lisitra ity, dia atao ny ezaka mba ho maro no ho voasoratra anarana ao anatiny. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.

Tontosa ny taom-pikatrohana 2022, tsara ny hanaovana jery todika mikasika ireo asa vita. "Fantarina sy iainana ny soatoavina kristiana" ny foto-kevi-dehibe nampitaina tamin'ity taona 2022 ity ary "Maka lesona mankany amin'ny ho avy tsara kokoa" ny foto-kevi-dehibe amin'ny taona vaovao 2023. Fandaharana "miaina sy mitia" niarahana niasa tamin'ny Centre Arrupe, notontosaina teto amin'ny radio Don Bosco.

Ho an'ny tsirairay ao amin'ny ankohonana dia tsara ny fikatsahana ny : firindràna sy filaminana mba hiteraka fahasambarana. Araraotina ny tonon-taona mba hanorenena fifanakalozana fijery miabo ary fiaraha-monina mampiombona. Hapetraka ny fitsipika ka asiana fotoana iaraha-maneho fa fo mitempo miaraka no ao amin'ny ankohonana. Ilaina ny fivoizana ireto soatoavina ireto:  fifankatiavana, fifampizarana, fiarahana matetika, fifankahafantrana, fiekena fahadisoa, fandeferana, fiaraha-mifaly anaty fahamarinana sy fifanajàna. Rehefa voahaja ny fitsipika, mirindra ny fiaraha-monina, milamina fifandraisana dia miseho mora foana ny fahasambarana ho an'ny ankohonana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...