Mariky ny fanantenana ny fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy. Manampy antsika izy hahazo ahoana ny tsy maintsy fitondrantenantsika manoloana ny olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA. Tsy azontsika atao ny manilika na ny mampizaka azy ireo fitondrana tsy araka ny maha-olombelona na ny fanilihana. Tsy maintsy mikarakara azy ireo isika. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara sy ny Radio Don Bosco.

Ny soatoavana dia manampy betsaka ny tanora handanjalanja sy hahafantatra ny tokony ataony manoloana ny tranga maro samihafa iainany : safidy, fanapahan-kevitra, fijoroana amin'ny maha-izy ny tena, sns. Etsy andaniny, mila mitady hevitra ny ray aman-dreny hampita azy ireo ny soatoavina ary hamporisika azy ireo hanana izany ihany koa. Etsy ankilany, mila mametraka fitsipika sy soatoavina ny tanora hiatrehany ny hoaviny... 

Tanan-dehibe maro mponina indrindra ny eto Antananarivo renivohitra, ary tsy afa-miala amin'ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro fa mila miatrika na mitady fomba fanalefahana ny voka-dratsiny. Ndeha isika hanova fomba fiainana hiarovana ny tranobe iombonana. Kajio ny tontolo iainana, rehefa tsy mandoto isika dia efa isan'ireo miaro ny tontolo iainana ihany. Ny vahaolana amin'ny fiovan'ny toetrandro dia miantomboka amin'ny fandraisan'andraikitry ny tsirairay noho izany dia samia isika manao ezaka toy ny : fambolen-kazo sy ny fanajana ny fahadiovana...

Hanatsarana ny fambolena dia hatao ny fomba rehetra mba hitahirizana ny rano ela indrindra na hanangonana betsaka amin'ny alalan'ny lava voakarakara manokana. Ny fomba hikarakaràna ny lavaka : manao lavaka lehibe sy lalina, mampiasa labasy na sachet matevina, na mandalotra ilay lavaka mba tsy hisy rano hifantsitritra any ivelany, asiana fasika ny lavaka hanampy amin'ny fitahirizana. Azo atao koa ny manao lavaka toy ny volan-tsinana eo anelanelan'ny tanimboly mba hitanana ny hamandoana. Ny zezika kankana no azo antoka fa hampiakatra ny tahan'ny vokatra amin'ny voly vary, ary miezaka mampihatra ireo teknika vaovao. Tokony hanao ezaka hanao voly rakotra ny tantsaha...

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...