Ny kristianina dia manana ny finoana fa rehefa tapitra ny fiainan'ny nofo dia misy ny fiainan'ny fanahy ao aorian'ny fahafatesana. Tsy avy dia sambatra anefa ny fanahy raha toa ka mbola misy pentina, noho izany tsy maintsy midio. Araka ny lovam-panahy ao amin'ny fampianaran'ny Eglizy dia misy ny afo fandiovana. Volana novambra isika izao ka ity volana ity dia nantsoina hoe volan'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana. Ilaina araka izany ny mitondra am-bavaka ny fanahin'ireo havantsika efa nodimandry mba hampitony azy ireo sy mba hanampy antsika izay mbola velona ihany koa. Misy ny fizarana sy ny fampianaran'ireo Olomasina sy ny vavaka azo hatao mahakasika izay afo fandiovana izay.
Fizarana ny traik'efam-piainana niarahana tamin'i Gisela, mahakasika ny sinaodin'ny tanora, Sinaody ho fankalazana ny faha-200 taona ny nofin'i Don Bosco, izay natao tany Turin ny 11 hatramin'ny 16 Aogositra lasa teo... Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.
Hotsenaina eny amin'ny "Le Wagon" Ambalavao ny Lakroa JMJ sy Ikônan'ny Virjiny Masina, amin'ny Zoma 1 novambra 2024 izao, hoentina amin'ny alalan'ny dia-mivavaka eny amin'ny Katedraly Andohalo. Marihana fa herintaona alohan'ny hamindràna azy any amin'ny Diôsezy handray ny JMJ manaraka indray dia averina amin'ny vovonana Nasiônaly eto Antananarivo aloha ireo famantarana ireo. Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco