Amin'ny vanim-potoanan'ny "Avent" toy izao, ny Fiangonana Katolika dia mampiasa famantarana dia ny Fehezam-boninkazon'ny "Avent" (couronne d'Avent), izay ahitana labozia 4 , arehitra isaky ny alahady efatra mialohan'ny Noely. Ireo labozia ireo dia maneho herinandro efatry ny "Avent", labozia iray no arehitra isaky ny Alahady ary mifanaraka amin'ny herinandro ny isan'ny mirehitra. Ny telo amin'ireo labozia dia tokony miloko volomparasy ary ny iray ampiasaiana amin'ny herinandro fahatelo dia miloko mavokely. 

Ato anatin'ny herinandro voalohany amin'izay fiaviana izay àry isika izao ka ny labozia voalohany, izay volomparasy, dia maneho ny fanantenana. Antsoina hoe "Labozia Faminaniana" izy io indraindray, ho fahatsiarovana ireo Mpaminany, fa indrindra Izaia Mpaminany, izay manambara mialoha ny nahaterahan'i Kristy. Maneho ny fiandrasana ny fahatongavan'i Mesia ihany koa izy io. Ankoatra ny hoe fotoana hiandrasana ny Noely ny fiaviana dia fotoana hibebahana marina, hanov0na ny toe-tsaina mba hahafahan'i Jesoa mahazo anjara toerana ao anatintsika. Fotoana hiainana ny fanetren-tena ihany koa satria ny fahasoavan'Andriamanitra dia miasa amin'ireo madinika, mahantra, osa, tsy manana fiarovan-tena, tsotra sy manetry tena.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...