Didian’ny lalam-panorenana ny hanatanterahan’ny antenimiera mpanao lalàna fivoriana ara-potoana voalohany isaky ny talata voalohan’ny volana Mey ary maharitra 60 andro eo izany. Hiditra amin’ny herinandro fahatelo niatrehana ny fivoriana araka izany ny eny Tsimbazaza sy Anosikely mandritra ity herinandro vaovao ity. Laha-dinika isany andrasan’ny maro isaky ny volana Mey tahaka izao ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana na ny LFR ; fa eo koa ny fihaonana mivantana fametrahana fanotaniana ataon’ireo solombavambahoaka amin’ireo mpikamban’ny governemanta momba ireo maharary ny vahoaka eny ifotony. Araka ny efa namaritana azy nandritra ny fandaharam-potonan’ireo parlemantera moa dia ny volana Jona any no hisian’izay fihaonana eo amin’ny roa tonta, dia ny solombavambahoaka sy ny minisitra, izay..

Asa isany tena nampandraiketan’ny lalàna ireo solombavambahoaka moa ny fanaraha-maso ny asan’ny fitondrana mpanatanteraka. Sarotra anefa ny hilaza fa manao ny ainy tsy ho zavatra amin’izay andraikitra napetraka taminy izay
ireo solombavambahoaka. Azo ambara fa voarefin’ny mpanatanteraka ka tsy afaka manao ny asany araka ny tokony ho izy, ireto farany. Misy ary moa ireo sasany, mba tsy hilazana fa ny maro an’isa, dia voatampin’ny vola ny vavany
izay tokony hitondrany ny hetahetam-bahoaka : vava feno tokoa ve moa hahateny e.

Ankavitsiana ihany koa no tena miaro ny tombotsoan’ny vahoaka nifidy azy fa ny ankabeazany miaro ny tombotsoany manokana, mahamaika ny solombavambahoaka ohatra ny fanatanterahana ny fivoriana mikaton-trano handinihana ny resaka karama, ny fiara, ny solika sns...ary rehefa misy tsiliantsofina tafavoaka ka henon’ny vahoaka ny resaka dia lazaina fa hanatanterahana ny asa eny ifotony no tena hiadiana ireny tombontsoa mihoapampana ireny.

Fa ankoatra ireo, isany tena maha-valalanina ny vahoaka tsy mandady harona ny mahita ny havitsian’ireo natao hisolo vava azy rehefa misy ny fandanian- dalàna : indraindray dia azo hisaina amin’ny ratsan-tanana ny isan’ireo tonga mampandany izany, tsy misy ny antsasa-manilan’ny olona tokony mivory. Indraindray anefa tena lalàna miankina amin’ny fiainan’ny vahoaka eny ifotony no ilaina fankatoavana. Tsy ela akory izay fa zavatra nitranga ny herinandro teo
ohatra : variana manaraka ny filoham-pirenena amin’ny fidinana tany Toliara ny ankabeazan’ireo solombavambahoaka ka tsy nisy afa tsy telopolo mahery kely teo fotsiny ireo solombavambahoaka nivory nampandany ilay lalàna momba ny resaka halatr’omby. Firifiry amin’ireo distrika manerana ny Nosy anefa no misedra olana amin’izay resaka asan-dahalo mpangalatr’omby izay. Misy koa ny lalàna toa tsy nandalo fandinihana akory fa avy dia tsangan-tanana faobe no handaniana azy. Eo indrindra ilay mahatonga ny vahoaka hametra-panotaniana hoe : solombavambahoaka manana ny fahaiza-manao, manana ny marim-pahaizana, nandalo fianarana ambony, eny e ! manana ny fahaizana na dia kely akory aza ve ny olona voafidy hitondra izay tenin’izy ireo izay ? Tsy olana vaovao ireo rehetra ireo fa efa fahita ary miverimberina foana isaky ny dimy taona hisian’ny olom-boafidy vaovao tafapetraka amin’ny toerana. Iza no omena tsiny eo anatrehan’izany rehetra izany ? Ireo nampanantena ny hitondra fanovana hoan’ny fiainan’ny vahoaka eny ifotony hiady mafy rehefa tafiditra an-dapa ve ? sa isika mpampindrana fahefana tsy mahay maka lesona, tsy mety fay, tsy naharesy tosika tamin’ireo karazana fampanantenana poakaty sy ny tolotolotra madinika tsy mahavita taona, ka niantsampy tamin’ny hazo boboka nanome sy nampindrana fahefana ho ana galifantsy hanao izay tiany atao mandritry ny dimy taona be izao ? Ny tena loza aza dia misy amin’ireo olona noheverina fa olobe, mendrika hitokisana sy nomena fahefana, no manao dahalo ambony latabatra mialokaloka anatin’ilay fahefana nampindramina zary nisitraka ilay zo tsy azo hivalozana na immunité parlementaire ka manaonao foana manala-baraka ny distrika nahavoafidy azy noho izy voasaringotra anaty raharaha maloto ka voatery nahiditra am-ponja.

Fa ny tena mampalahelo dia ireo natao handany lalàna, hampihatra ny lalànaindray no tena manitsakitsaka sy tsy manisy hasiny an’izany. Firy taona aty aorian’ny nijoroan’ilay Fitsarana Avo na ny HCJ tokoa mantsy, tsy mbola nahavita nanatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy ity rafi-pitsarana natao hitsarana ireo olona ambony ity. Nisy tamin’ireo solombavambahoaka teoaloha no efa namotsipotsitra fa ny antenimiera mpanao lalàna mihitsy no sakana tsy afahan’ity rafi-pitsarana ity miasa. Tsy hay mazava hoe tahotra ny sao ho isan’ny ho tsaraina any aoriana ve ? sa firaisankina amin’ireo namana minisitra na lehiben’ny governemanta teo aloha no tsy hasahiana manome ilay alalana ahafahana manohy ny fanadihadihana sy ny fitsarana ? Ilaina ve ny manangana rafitra tsy hiasa akory ? Na eo aza ireo rehetra ireo, misy ihany kosa ny olom-bitsy tena miady tokoa hoan’ny tombotsoan’ny vahoaka nifidy azy eny anivon’ny antenimiera mpanao lalàna saingy tratry ny be noho ny vitsy izy ireo ka sarotra ho azy ireo ny fanatanterahana ny asany. Saika mijanona amin’ny sintona lakolosy, fanambarana amin’ny alalan’ny haino,vaky, jery sy fivoahana anaty ny efitrano fivoriana rehefa misy ny lalàna tsy maharesy lahatra azy ireo nefa tsy maintsy hirosoana ny fandaniana azy, mba tsy ho tompon’antoka amin’ny mety ho vokatr’izany any aoriana anefa ireto farany. Sarotra ny hanaovana antso fanairana hoan’ireo olona tsy manana vina ankoatra ny fananana fahefana fa isika olom-pirenena no mila tonga saina, mila mahay mijery sy mamakafaka, hijoro ho arofanina fa tsy ho variana sy mora rebirebena amin’ny fomba fanao politika hatramin’izay dia ny fizarazaran-javatra ho tambin’ny fampindramana fahefana. Fa raha tsy izay dia tsy ho mpisolovava hitondra ny hetahetam-bahoaka mihitsy izy ireo fa ho mpisolo ny vavan’ny vahoaka mihinana... Soa lavo ahay hamindra, soa kenda ahay
hitsako.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...