Hitondra ny jiferiny amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra indray ny Arofanina anio. Ady iraisan’ireo ray aman-dreny mampiana-janaka ny fampidirana mpianatra isaky ny taom-pianarana vaovao. Mila fiomanana ara-bola matanjaka mantsy ny fiatrehana azy io, na ho an’ireo mandefa ny zanany amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana izany na ihany koa ho an’ireo manana ny fahafahana mandefa ny ankizy amin’ny sekoly tsy miankina.

Zo fototra voafaritry ny Lalam-panorenana Malagasy ny fampidirana ankizy an-tsekoly, araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-23, izay milaza fa manan-jo hianatra sy handray fanabeazana ny ankizy tsirairay avy ka tompon’andraikitra amin’izany ny ray aman-dreny ary hajaina ny fahalalahana hisafidy ananany. Voalaza ao amin’io andininy io ihany koa fa ny fanjakana dia mandray ho adidy ny fampivoarana ny fanofanana arak’asa. Ao amin’ny andiny faha-24 ny Lalam-panorenana Malagasy izay hatrany dia milaza ihany koa fa mandamina fanabeazam-bahoaka maimaim-poana sy takatry ny rehetra hidirana ny fanjakana, ka ny fampianarana ambaratonga voalohany dia tsy maintsy ataon’ny rehetra.

Anatin’ny vanim-potoana fifehezana kibo ny ankamaroan’ny ray aman-dreny malagasy amin’izao na dia mbola manana roa volana latsaka eo aza hanomanana izay fidiran’ny mpianatra izay. Azo lazaina ho fotoam-pahavaratra faharoa ho an’ny ray aman-dreny ny mialoha ny fidiran’ny mpianatra tahaka izao. Tsy vitsy ireo mitaraina, midi-trosa noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana amin’ny fikarakarana ny fidiran’ny mpianatra izay. Raha ho an’ireo misafidy ny hampiana-janaka amin’ireny sekoly tsy miankina ireny mantsy izao dia fara-fahakeliny eo amin’ny fito alina eo no fanaovana ny fisoratana anarana ho an’ny zaza iray, ho an’ny saram-pianarana indray azo lazaina ho efa vitsy ireo sekoly mbola manana saram-pianarana latsaky ny 2 alina ariary isam-bolana. Ankoatra ireo anefa dia mbola vola hafa ihany koa ny resaka fitaovam-pianarana izay lasa efa fomba mahazatra ny sekoly sasany ny mitaky ireo karazana kalitao avo lenta sy tena lafo vidy ary tsy voafetra ny vidiny fa miakatra isan-taona. Manginy fotsiny ny fanamiana iraisana hanaovana fanatanjahantena, entina amin’ny fotoana mihaja na fiandohan’ny herinandro na fiafaran’ny herinandro sy ny aron’akanjo. Mba tsy hahamafy ny fiantrakain’izay fampidirana mpianatra izay dia misy amin’ireo ray aman-dreny no mbola tsy tapitra akory ny taom-pianarana teo aloha dia efa manilika tsikelikely vola hangonina natao tahiry kely mba ahafahana mampiana-janaka, nefa na ny sakafo aza mazana efa tena ambany foitra.

Ho an’ny sekolim-panjakana indray dia tsy mazava amin’ireo ray aman-dreny na tena tsy mandoa vola na ahoana ny fampianarana. Niteraka korontana sy savorovoro teny anivon’ireny sekolim-panjakana ireny mantsy ny filazan’ny tompon’andraiki-panjakana, taona vitsy lasa izay, fa tsy mandoa vola ny ankizy, anefa ny sekoly milaza fa mila mandray andraikitra amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra sasany sy ny fampiodinana ny sekoly ny ray aman-dreny. Vola izay matetika efa hitovy amin’ny aloa eny anivon’ny sekoly tsy miankina ihany. Raha ny ray aman-dreny no mitotototo sy lany mondron-kery amin’ny fitadiavam-bola mba handehanan’ireo sombiniaina an-tsekoly, ahoana kosa ny andraikitry sekoly amin’ny fanomezana kalitao tsara sy hampiakarana ny lentan’ny fanabeazana? Tsy takona afenina mantsy fa tena maniry ohatry ny ananana ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana amin’izao. Saika isaky ny elakelan-trano ahitana sekoly, izay maro no tsy manaraka ny fenitra takiana toy ny efitrano malalaka, ny tokontany lehibe, toerana fanaovana fanatanjahan-tena, ny toeram-pivoahana sy fidiovana sns… Misy dia tranon’olo-tsotra malalaka fotsiny no havadika ho toeram-panabeazana. Zary lasa fitadiavam-bola na business ho an’ny sasany ny resaka fampianarana. Raha ny voalazan’ny andininy faha-25 amin’ny Lalam-panorenena dia eken’ny fanjakana ny fisian’ny fampianarana tsy miankina ary iantohany ny fahalalahana hanome izany fampianarana izany raha toa ka mifandanja amin’ny fepetra mikasika ny fampianarana momba ny fitandremam-pahasalamana sy ny fitondran-tena ary ny lentan’ny fianarana faritan’ny lalàna. Ankoatra izay, voalazan’ity andinin-dalàna ity ihany koa fa fehezin’ny lalàna momba ny hetra araka ny fepetra faritan’ny lalàna ireo sekoly tsy miankina.

Zon’ny ankizy ny mianatra, saingy tsy ny rehetra no afaka hisitraka izany, indrindra amin’izao fotoam-pahasahiranana lalovan’ny firenena izao. Tsy andraikitry ny ray aman-dreny ihany araka izany ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra fa manana anjara amin’izany koa ny sekoly sy ny fitondram-panjakana. Ny tena mahonena dia ny zanaka Malagasy tsotra sy sahirana mbola miady mafy ny ho tafita eto an-tanindrazana, fa ny an’ny ankamaroan’ireo manan-katao sy tompon’andraiki-panjakana ambony, mikopa-kelatra any ivelany mandalina sy manovo fahalalana. Misy sandany samihafa ihany koa ny lova tsara indrindra ho an’ny samy zanaka Malagasy. Samia mahery sy mijoro fa tsy mora ny asa miandry mba hanana taranaka vanona sy mahay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...