---/... Ankalazaina isaky ny faha 5-n’ny volana Jona ny andro Maneran-tany ho an'ny Tontolo Iainana, araka ny tapaka nandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1972. Anton’ny fankalazana moa ny mba hisarihana ny saina amin'ny toetry ny tontolo voajanahary maneran-tany ary indrindra indrindra ny hanasongadinana ireo olana ara-tontolo iainana vokatry ny nataontsika olombelona ihany.
Nomarihana ofisialy voalohany izany ny taona 1973, taona nijoroan'ny Fandaharan’asan'ny Firenena Mikambana misahana ny Tontolo iainana na ny PNUE. Ny Zoma teo no nanamarihana ity andro maneran-tany ho an’ny Tontolo iainana ity teto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny hetsika samihafa, nivoizana ny lohahevitra hoe : "Ho an'ny toetr'andro ankehitriny izao." Antso maika ho an’ny olombelona tsy ankanavaka mba hisorohana ny faharatsiana ateraky ny krizy eo amin'ny toetr'andro ankehitriny. Nosy manana ny mampiavaka azy amin’izay lafiny ara-tontolo iainana i Madagasikara, noho ireo biby sy zavamaniry tsy fahita any amin’ny firenen-kafa. Manan-karena zavaboaary, na an-tanety na anaty rano na any ambanin'ny tany. Lokan'ady eran'izao tontolo izao ny tontolo iainana, izay miteraka fiovaovan'ny toetr'andro ny fahasimbany. Ny tontolo iainana, ilay ambaran'ny Papa François hoe : « Tranobe iombonana », anatin'ilay ansiklika « Laudato si » nosoratany. Teny iray namaritana ny tontolo iainana izay iaraha-manana ny hoe tranobe iombonana, taona vitsivitsy lasa izay. Mbola mitoetra ihany izany na dia tsy feno aza ny fanajana azy ankehitriny.
Miatrika olana maro tokoa ny tontolo iainantsika ankehitriny. Isan'ireny ny fandotoana, fahasimban'ny ala, fahaverezan'ny zava-manan'aina, ary fiovaovan'ny toetr’andro. Fahapotehana maneran-tany noho ny fandrosoana, izay toy ny fifanoheran-kevitra. Mandroso izao tontolo izao, noho ny voka-pikarohana eo amin’ny sehatra samihafa koa. Toa tsy mijery lavitra ny vokatr'izay fandrosoana izay anefa ny mpikaroka, fa zary manimba ilay tontolo iainana mahafinaritra nomen'Andriamanitra antsika. Simba ny tontolo iainana ary efa maneho ny hatezerany amin’ny mponina ambonin'ny tany izy ankehitriny. Porofon'izany ireo karazana loza maro vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny toe-tany, toy ny rivodoza mahery vaika, ny tondra-drano, ny hain-tany, ny fihafanan'ny tany. Dorotanety sy tavy, setroky ny fiara, entona maloto avoakan'ny orinasa…
Fahavalon'ny tontolo iainana avokoa ireo ankehitriny. Ary miantraika amin’ny fiainan’ny olombelona ihany izany, indrindra amin’ireo madinika araka ny nampahatsiahivin’ny Papa Léon XIV antsika tamin’ny hafany nandritra ny COP 30 tany Belém, Brésil, tamin’ny Novambra 2025: “Indrisy, hoy izy, fa ireo izay ao anatin’ny toe-javatra tena marefo indrindra no voalohany iharan’ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fandripahana ala ary ny loto.
Fa fahavalo an-kolaka, ary tena manimba tontolo iainana ihany koa ny fiankinana amin'ny ala hitadiavam-bola. Ohatra amin'izany ny arina fandrehitra, na ny charbon, hamatsiana ny angovo isan-tokantrano, indrindra ny any an-drenivohitra. Raha tsy mitsinjo lavitra isika dia ho foana anaty raki-bolana atsy ho atsy ilay hoe : " na ho lany aza ny ala atsinanana…". Ho ritra io, raha izao fitrandrahana totoafo azy izao, no mitohy.
Isan'ny olana iray lehibe amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny fiparitahan'ny fako plastika etsy sy eroa. Manentsina lakan-drano maro ety an-drenivohitra ireny fako plastika ireny, ka mitarika tondra-drano amin'ny fotoam-pahavaratra. Olona an'arivony maro no tsy manan-kialofana vokatr'izany. Miteraka fahasimban'ny tany ambolena koa ny fiparitahan'ny fako plastika. Misy singa avoakany mantsy, ka maha karankaina ny tany, ary mankany amin'ny zavamaniry hohanin'ny olona izany, ary miteraka aretina maro sarotra sitranina. Isan'izany ny homamiadana. Mandoto ny rano fisotro koa ny fiparitahan'ny fako plastika any anaty renirano. Ny renirano izay ampiasaina koa amin'ny fanondrahana voly, ary mety hiteraka aretina koa. Manimba ny tontolo iainana an-dranomasina koa ny fipatahan'ny fako plastika any, ary mety hahafaty mihintsy ny hazandranomasina izany.
Adidin'ny tompon'ny trano ny miaro ny fonenana. Manana andraikitra amin'ny fiarovana ny Tranobe iombonana ny olom-pirenena tsirairay, mba tsy handrora mitsilany. Arovy ny tontolo iainana. Isan'ny efa fiarovana ny fampihenana ny fako miparitaka. Aza aparitaka etsy sy eroa ny fako e. Tokony atao laharam-pahamehana manerana ity Nosy malalantsika ity ny tsy fandripahana ny ala, ny fampiasana angovo azo havaozina, ny fanatanterahana fambolen-kazo, ny fiarovana ny zavaboaary sy ny ady amin'ny fanondranana an-tsokosoko ny zavaboaary azy ireny. Mila ampianarina sy beazina hanaja ny manodidina azy ny zaza, mba hahafahany miaro ny tontolo misy azy. Zava-dehibe ny fifanentanana, fandraisana andraikitra, indrindra ny fanabeazana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana. Ilaina koa ny fanamafisana ny lalàna : toy ny zava-misy any Toliara ohatra, izay nametrahana sazy henjana ho an’ireo tsy manaja ny tontolo iainana : Fandoavam-bola sy famonjana. Tsy ampy intsony ny hoe manadio iray andro dia mipetraka sy mitazana avy eo. Adidin'ny mpitondra fanjakana koa anefa ny mametraka lalàna mazava hifehezana azy io. Raha samy mandray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, dia ho lavorary sy maha-tehonina ilay tranobe iombonana. Raha milaza fa tena tia tanindrazana isika, nefa tsy manaja sy tsy miaro ny tontolo iainana, dia mpandainga. Fa aleo misoroka toy izay mitsabo hoy ny fitenenana