---/... Anatin’ny fankalazana ny faha 30 taona nijoroany ny Radio Don Bosco amin’izao fotoana izao. Onjam-peo manaparitaka ireo karazam-pandaharana maro samihafa nanomboka ny 27 jona 1996. Fandaharana miompana amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fanabeazana amin’ny lafiny maha olona manontolo. Radio Katolika hoan’ny olona rehetra tsy an-kanavaka ny Radio Don Bosco. Najoron’ny fikambanana Salezianina Don Bosco anabeazana ny olom-pirenena, indrindra fa ny tanora...

30 taona nifanjohy taminao mpihaino ny RDB. 30 taona nanabeazana sy nizarana vaovao. 30 taona azo lazaina fa anatin’ny fahamatorana sy anaty fahatanorana tanteraka raha olombelona. Vavolombelon'ny tantaram-pirenena sy ny fiangonana, hoy Mompera rejionaly BIZIMANA Innocent, nandritra ny lahateny nanokafana ny varavarana misokatra ny alarobia 24 jona teo.

30 taona niezahana nanaparitaka ireo fandaharana samihafa eran’ny vazan-tany efatra, ary tsy teto Madagasikara ihany fa hatrany am-pitan-dranomasina, noho ny fampiasana ny fivoaran’ny teknolojia misy ankehitriny sy ny fiarahana tamin’ireo diosezy samihafa.

30 taona namolavolana malagasy maro, indrindra fa ireo tanora nanovo fahalalana teto nandritra ny fihofanana nataony sy ny asa nivelomany. Izy ireny izay manana ny maha izy azy ankehitriny, ary misy aza ny sasany amin’izy ireo no mitana andraikitra ambony amin’ny tontolon’ny haino aman-jery sy ny asam-panjakàna.30 taona nanandratana mpanakanto maro hanana ny toerany eo amin’ny tontolon’ny zava-kanto tamin’ny fandefasana teto amin’ity onjampeo ity ny sangan’izy ireny.

Tsy vitan'ny hoe mampita vaovao, manabe ary mampiala voly ny RDB fa indrindra mampifandray olona maro.

Arofanina koa anefa ny RDB satria anjara andraikiny ny manambara ny marina izay fampianarana voizin’ny Fiangonana. Adidiny ny mampatsiahy, mampita, maneho ireo mety olana na fihetsika ahiana hisy fiantraikany eny amin'ny fiarahamonina, izay tena anjara andraikitry ny mpampahalala vaovao amin’ny tany mandala ny demokrasia, ka nampandroso azy ireny amin’ny lafiny maro, na ara-toekarena, na ara-tsosialy na ny ara-kolotsaina, ny fampiharana izany.

30 taona nandalovana fahasahiranana toy ny krizy politika, krizy ara-pahasalamana. Saingy mbola mijoro vonona hiatrika ireo ambana isan-karazany koa ny RDB. Tsy mora ny niatrika ny tsikera, eny mety ho fanenjehana mihitsy aza, avy amin’ireo sokajin’olona sasany. Voatohintohona ny firehan-keviny nandritra ireny fotoana ireny.

Tsy hainay ny midoka tena. Fa ianareo mpihaino no tena mahay nandritra izay fiarahana izay. Teo ianareo nanoro hevitra, nitondra fanitsiana raha ilaina izany. Tsy nifanary Toa ny vary sy rano isika. Fitaovana ihany izahay satria hoy i RANDRIANASOLO Raymond, kalaza amin’ny vakodrazana malagasy izay hoe : “Ny maha eo anareo no maha eto anay”.

Efa solontenanao mpihaino, tsy eto Madagasikara ihany fa hatrany ivelany, ireo tonga nitsidika sy nandefa hafatra firarian-tsoa ny alarobia 24 jona teo tamin'ny varavarana misokatra sy ny andron'ny tsingerin-taona ny sabotsy 27 jona teo. Misaotra, mankasitraka, mankatelina.

Santatra am-bavarano amin’ny hetsika samihafa entin’ny Radio Don Bosco entina mankalaza ny faha 30 taonany iny varavarana misokatra notanterahana ny alarobia 24 jona teo iny. Fa mbola maro ny ho sisa. Irariana ny mbola hifanohanantsika eto. Fankalazana tsy hikatona raha tsy ny faha 31 n’ny volana janoary 2027.

Ho lava raha hotanisaina izay taona maro nifandimby niarahan'ny 93.4Mhz taminao mpihaino, mpankafy tsy mahafoy izay, fa azo antoka kosa fa tsy mbola hifarana ny fiarahana.
Tsy atao am-para-filaza fa nitondra anjara andraikitra lehibe nahatrarana izay 30 taona izay ireo mpitantana sy mpiara miasa nifandimby. Antoka iray nahafahana namakivaky izay 30 taona izay ny fikambanana Saleziana, ny mpitantana nifandimby sy ireo mpiasa rehetra tsy an-kanavaka manodina ny onjampeo.

Irariana ny hahatraran'ny onjampeo ny 30 taona manaraka hihavao sy hihatsara hanaraka ireo fivoarana misy eo amin’ny teknolojia.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...