---/...Nirongatra be tato ho ato ny fahaverezana zaza, ankizy, adolantsento, eny hatramin'ny olon-dehibe aza. Tsy lazaina intsony ny fakana an-keriny mahazo ireo olona manana toe-tena varira. Raha ny antontan'isa nivoaka dia efa 33 ny isan'ireo maty nanomboka ny taona 2022. Raha resaka fanolanana no nitranga teo aloha, dia nitana ny sain'ny mpanara-baovao indray ireo trangana fahaverezana ankizy ny herinandro teo iny. Nahatratra am-polony teo ireo ankizy tsy ampy taona tsy hita nanaovana filazana tamin'ny tambajotran-tserasera Facebook ny herinandro teo iny fotsiny, raha ny fanisana tsotsotra nataon'ny Arofanina...
Misy ireo tafaverina amin'ny fianakaviany ihany, fa misy koa ireo nofomangatsiaka sisa vantanina. Ekena fa misy ireo adolantsento mandositra ny fianakaviany, noho ny olana na ditra, fa tsy azo lavina ihany koa fa tena misy ny hala-jaza e. Mahavalalanina ny rehetra ny antony tena mazava mahatonga ireny trangana hala-jaza sy fakana an-keriny ny ankizy ireny, indrindra ireo manana toe-tena varira. Misy ny hoe sotasotam-piarahamonina, fa tsy azo lavina koa ny hoe : fitadiavam-bola mihitsy. Fehin-kevitra navoakan'ny tompon'andraikitra koa anefa ny hoe : resaka finoana, ka hanaovana sorona mampanankarena hono. Ataon'ny Arofanina "hono" ihany satria tsy misy fanazavana mahafa-po sy voaporofo hatramin'izao fa atao sorona ireo zazavery, indrindra ireo manana toe-tena varira.
Assa na fifandrifian-javatra na efa tena miha-mirongatra mihitsy ity resaka tsy fandriampahalemana ity tato ho ato. Tranga fahita rahateo rehefa mandalo raharaha mafampàna ny toe-draharaha, indrindra ny lafiny politika, ny fisian'ny trangam-piaraha-monina mitana ny sain'ny rehetra. Sao de entina hamiliviliana saim-bahoaka fotsiny mba hanakonana tranga mafana any ambadika? Sa ve misy tambajotra matanjaka manao "business" io resaka hala-jaza io, ka any indray izao ny fandraharahana mandeha? Vaky vava anio ny Arofanina hilaza fa manara-damaody ihany koa ny resaka tsy fandriampahalemana? Teo aloha fanolanana ankizy dia amin'izao indray hala-jaza sy fakana an-keriny ny olona manana toetena varira.
Ekena fa manana andraikitra ny tsirairay amin'ny firongatry ny tsy filaminana. Atody miady amam-bato ihany anefa, tanam-polo ny vahoaka ka tsy maintsy miatsampy any amin'ireo hery fiarovana sy filaminana. Indrisy anefa indraindray fa toa mangina ny tompon'andraikitra, mihanona fotsiny amin'ny filazana fa efa mandeha ny fanadihadiana, mampalahelo fa dia very an-javony any izany avy eo ary dia tahaka izany foana.
Mampaneno lakolosy eto ny Arofanina fa ny aina hafoy, ny zanaka tsy hita, ny fanana mba nohariana taona maro fongana ao anaty indray mipi-maso, ny adisaina isan'andro manginy fotsiny. Mandry an-driran'antsy, na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe, mitaintain-dava toa Saobakaka ambodiriana. Efa mikorotan-tsaina loatra aza ny Olom-pirenena, ka mikoropaka raha vao maheno zavatra mipoaka. Porofon'izany ilay zava-nisy teny Ivandry ny alin'ny zoma teo, ka niala tsiny mihitsy ny filohan'ny fanavaozana tamin'ny hatairan'ny manodidina, nahare poa-basy rehefa nitifitra drone ahiana ho nanaraka ny fiara nitondra azy ireo mpiambina. Tsy ara-tsaina sy fihetseham-po ihany fa miantraika amin'ny fihariana ny tsy fandriampahalemana ankehitriny, ary mampitotongana ny toe-karena sy fandrosoan'ny firenena amin'ny ankapobeny mihitsy.
Dia hamafisin'ny Arofanina eto ny fisintonana lakolosy, hanairana ny Fanjakana, ny Fitsarana, ny mpitandro filaminana mpiaro ny vahoaka sy ny fananany, fa very fanahy mbola velona toy ny valala voatango ny sarambabem-bahoaka, tsy tongotra hitsipaka, tsy tanàna handrangotra. Ao an-trano ianao mitaintaina sao voatafika ka very fananana, mivoaka ny trano sao voaendaka, ka aiza ihany no hiainana? Vao tsy ela no narantiranty nandritra iny fetim-pirenena iny ireo fitaovam-piadiana sy ireo mpitandro ny filaminana isan-tsampana avy, natao hiantoka ny fandriampahalemana, sy hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Miandry ny tena mba hampiasana ireny fitaovana ireny, izay novidiana tamin'ny volany, Ramalagasy miandry ny rariny, dia tena miandry fa... Gasy?