---/... Hiatrika ny fanadinam-panjakana farany, dia ny bakalorea ireo tanora maherin’ny 2 hetsy manomboka amin’ny heriny anio. Efa nahavita ny azy ny zandry zanaka nanala ny fanadinana CEPE, sy ny BEPC ka tapitrany ny herinandro lasa teo. Amin’ny an-kapobeny nizotra am-pilaminana ireo fanadinam-panjakana roa ireo, na teo aza, an-daniny, ny horohoro sy tebiteby niainan’ireo tanora sy ny Ray aman-dReny, manoloana ny halatra sy vono olona nitranga tao Antananarivo sy manodidina tamin’iny herinandro iny...
Tetsy an-kilany, nisy ihany koa ny fivoahana laza adina tamin’ny tambazotra sosialy, izay nitondran’ny Minisitera tompon’andraikitra fa osoka izy ireny.
Hoan’ny mpanala CEPE kosa dia nisy ireo mpianatra niatrika ny fanadinana nanoratra tamin’ny tany, noho ny tsy fahampian’ny dabilio, isany nahitana izany ohatra ny tany amin’ny kaominina Ampamata Faritra Androy. Tsy naka sarotra ireo mpianatra raha napetraka teo amin’ny feny ny taratasim-pandinana, ary dia teo izy ireo no nanoratra ; ny sasany indray nitanondrika nanoratra tamin’ny tany fotsiny tsotra izao. Toa izany koa ny tranga niseho tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Tsy ampy ihany koa ny dabilio, ka vahaolana naroson’ny tompon’andraikitra ny fanisihana ny mpiadina telo na efatra isaky ny dabilio. Lasa ihany ny eritreritry ny Arofanina manolona ny tranga tahaka izany hoe : Nga tsy nisy vahaolana hafa azo noraisina mialoha teo anatrehan’izay tsy fahampiana dabilio izay ? Toa efa am-bolana maro mantsy izay no efa nivoaka ny tetiandrom- panadinam-panjakana? Zava-dehibe iankinan’ny hoavin’ny zanaka Malagasy ny fanabeazana, ka tsy tokony hanao kinanga ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany sy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Hiatrika ny fanadinam-panjakana bakalorea kosa indray ireo tanora Malagasy afaka herinandro. Moa ve efa tsara fiomanana ny tompon’andraikitra isan-tsokajy miainga avy any amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony, hisorohana ny tranga izay mety hanohintohina ny fizotran’ny fanadinana : toy ny tsy fisian’ny jiro amin’ny efitrano fanadinana ka voatery hiatrika fanadinana ao anatin’ny haizina ny mpiadina, tranga efa niseho taona vitsy lasa izay, ka nasaina nividy labozia ny mpiadina tsirairay tamin’izany fotoana izany.
Ilàna fahamailoana sy fandraisana andraikitra govana ihany koa ny fiparitahan’ny laza adina mialoha ny fanadinana. Tranga efa nisy teto Madagasikara ihany koa izany, ka zary mampihena ny lanjan’ny fanadinam-panjakana. Tsy tokony atao am-banin-javatra ihany koa ny fampitovian-jo ny ankizy sy ny tanora Malagasy. Tokony ho ampy ny foto-drafitr’asa sy ireo fitaovana mifandraika amin’izany toy ny dabilio, sy ny efitrano fanadinana, ny famatsiana herinaratra azy ireny.
Fa manana olana amin’ny fivezivezena sy ny fitaterana ihany koa ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Misy amin’izy ireny mantsy avy any ambanivohitra lavitry ny foibem-panadinana, ka voatery mandeha an-tongotra, na mandeha sarety, ao koa aza ireo tsy tafody an-tranon-dray aman-dreny isanandro mandritra ny fotoam-panadinana, ka tsy maintsy manofa trano mihitsy. Namaha amin’ny ampahany ny olana amin’ny fitaterana ny nampiasan’ny fitondram-panjakanana ny Bus be FOTON nitaterana ireo mpiatrika ny fanadinanana CEPE sy BEPC farany teo. Asa aloha ny tany amin’ny distrika sy faritra maro samihafa tany, fa raha ny tsikaritra dia ny tao an-drenivohitra tao ihany no tena nisitraka azy ireny.
Tsy Antananarivo ihany i Madagasikara, hoy ny fiteny izay. Dia ny hafa izany ahoana ? Satria ve hodiana fanina ? hoy ny Arofanina. Mety ho hevitra tsara raha mba aparatika any amin’ny faritra sy distrika mandritra ny fanadinam-panjakana CEPC sy BEPC ary Bakalorea ihany koa ireo fiarabe mba hanamaivana ny fitaterana ireo mpiadina amin’ny fanadinana. Eny e, hevitra ihany moa ny an’ny Arofanina, fa azo atao ihany koa anie ohatra ny mitady fomba hafa e, na manokana teti-bola hiatrehan’ny mpiadina ny vanim-potoam-panadinam-panjakana. Fa zao aloha : hiatrika ny bakalorea ireo mpiadina amin’io herinandro io. Efa finiavana sy fitsinjovana lehibe ny mpiadina CEPE sy BEPC no nahatonga ny fitondram-panjakana namoaka ireo fiarabe tao an-drenivohitra hitaterana ny mpiadina. Ka antenaina fa ho toy izany ihany amin’ny bakalorea.
Dingana lehibe amin’ny fianarana ny fanadinam-panjakana ka tsy tokony atao ambanin-javatra. Mba ho tomombana sy ho lavorary anefa izany, ka hanampy ireo mpiadina hiatrika am-pahatoniana ny fanadinana, dia ilaina ny fandraisan’andraikitry ny isan’ambaratonga, indrindra ny Fitondram-panjakana sy ny Ministera mpiahy, amin’ny fanohanana amin’ny endrika maro samihafa an’ireo antsoina hoe ho avin’ny firenena