---/... 10 aogositra 1991- 10 aogositra 2026. 35 taona lasa izay ilay hetsi-bahoaka, tamin'ny alalan'ny diabe nananika ny Lapan’i Iavoloha. 35 taona lasa izay ilay rà nandriaka nitakiana ny tsaratsara kokoa. Olona an'aliny maro tamin'izany no nihetsika teny amin'ny kianjan'ny 13 mey, nitaky ny fialan'ny filoha Didier Ratsiraka sy ny handrodanana ny « mandan’i Jerikô », araka ny fiteny tamin’izany. Maro no maty, tsy tambo isaina ireo naratra, rehefa voafandriky ny vanja nilevina sy ny tifitra avy eny ambony angidimby tamin'io andro andro Sabotsy io...
Mpanao politika maro no niaina izany, toa an-dry Profesora Ralison Roger, Alain Ramaroson, hatramin’ny Profesora Zafy Albert, izay lohandohany tamin’ny fitarihana ny tolona, ary nandimby ny naongana, tamin’ny alalan’ny fifidianana.
Anisan'ny tolom-bahoaka nanamarika tantara iny niseho iny, izay efa nosantarina tamin’ny 1972 sy ny tohiny taty aoriana dia ny 2002, 2009, 2018 ary ny 2025 farany teo. Raha zohina ireny rehetra ireny dia tena nitolona ho an’ny fitiavan-tanindrazana ny vahoaka. Ny Malagasy rahateo hono olon’ny fo.
Aiza ho aiza anefa ny fiainan-dRamalagasy ? Sao dia ny mpitondra no miova fa ny omaly ihany no an’io. Toa very an-javony ny hafanampon’ny vahoaka, very momoka ilay fampanantenana hoe : ho ento miakatra ity firenena ity sy ny hoe fahamarinana sy fahamasinana, ao koa ny hoe fanovana ary izao indray Fanavaozana. « Ny hamisavisana ny ratsy, hono, hiavian’ny soa.» De tsy hisalasala ny Arofanina milaza fa lalaovin’ny mpanao politika amin'ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-tseza ary fitiavam-bola ny tolom-bahoaka, ka rehefa tonga eo amin’ny toerana izy ireo dia mamikitra sy mitsentsitra ary tamàna tsy te hiala, satria mamy hono io seza io, ary izay tonga teo mbola tsy nisy nanenina, ary mbola te hiverina.
Azony ny toerana dia iny ianao adinony. « Ganagana mitety asa e ! Ny hanina tsy azo, ny tratra mangana.» Dia homena tsiny ve ireo olom-pirenena milaza fa tsy mba hidina an-dalambe amin’ny resaka politika intsony fa leom-boananana ka tsy tia zava-boribory intsony ? Ny tena mahavariana dia toa miverimberina saika ho isaky ny 10 taona eo izay hetsi-pitakian’ny vahoaka izay, ary vao mainka miha-fohy ny tsingerina hitodian’izany. Fa… eiiee, mbola tsy maka lesona ihany isika amin’ny hasaro-bidin’ny rà latsaka, mba hiandrandràna ny tena fiovan’ny fari-piainan’ny isam-batan’olona. Misy ihany manko ireo miova fari-piainana aorian'ny tolona fa… olom-bitsy ihany.
Hiherina sahady tsy ho ela ‘ty ny 25 septambra, daty nanombohan’ny hetsika an-dalambe farany teo, ka niafara tamin’ny firodanan’ny fitondrana volomboasary. Novoizina taorian’izay ny fanavaozana, nefa toa be no efa kivy, fa tsy vitsy koa ireo mbola miandrandra fa mbola ho avy izany, taorian’ireny tolon’ny tanora notarihin’ny Gen Z ireny. Dia samy miandry ny nampanantenaina ny rehetra, toa ny fanovan-drafitra, ny fikaonan-doham-pirenena, ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ny fihatsaram-piainana.
Ekena fa misy ny ezaka, ny manao zavatra koa tsy mora ary ny manao mora tsy zavatra. Na izany aza mbola lavitry ny afo ny kitay. Hoy ny Arofanina hoe : enga anie mba tena fanovàna fa tsy fanavaozana fotsiny. Raha fanavaozana manko, sao dia ny fanao tsy nety ihany no havaozina fa tsy hovaina tanteraka. Ary tsy manova fotsiny koa aza, fa tena manorina fotony. ‘Ndeha hindramin’ny Arofanina ilay fiteny nalaza tamin’ny volana septambra 2025 hoe : aoka tsy hanaiky lembenana, na ny mpitondra na ny vahoaka ; aoka ihany koa tsy havela ho raraka an-tany izay rà latsaka noho ny tolona fitiavan-tanidrazana izay, ka mba ho tò ilay nohandrandraina dia ho avy ny maraina !