Anatin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena Misahana ny Fifidianana, na ny CENI, nanomboka ny 28 jolay teo. Haharitra hatramin’ny volana novambra 2026 izany, na dia isaky ny 10 taona aza no tokony hanatanterahana izany, araka ny voafaritry ny lalàna.
Lohalaharana amin’ny fitaovana tsy maintsy ilaina amin'ny fanatanterahana fifidianana ny lisi-pifidianana. Na dia tsy mbola fotoana tokony hanatanterahana izany fanavaozana ifotony izany aza izao, dia tsy maintsy nirosoana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, noho ny toe-draharaha nolalovan'ny firenena ankehitriny, indrindra taorian’ny krizy politika, izay nitakiana ny fanavaozana sy ny fanovan-drafitra. Hiditra iray volana amin'izao herinandro diavintsika izao ny nanombohana ofisialy izany, nisian'ny fanentanana samihafa ny olom-pirenena tonga taona hanoratra ny anarany eny amin'ny Fokontany misy azy, mba hahafahana mandrafitra lisi-pifidianana vaovao. Isan'ny fototr'olana tamin'izay fifidianana natao teto amintsika ny tsy fahatomombanana hita amin'ny lisi-pifidianana, izay miteraka olana hatrany amin'izay mety ho vokatry ny latsabato.
Miisa diy moa ny fomba ahafahana misoratra anarana anaty lisitra. Misy ohatra ny fitetezana tokantrano ataon’ireo vaomiera mpanisa mpifidy isam-pokontany. Afaka manatona ny biraom-pokontany ihany koa misoratra anarana anaty lisitra ny olona feno 18 taona noho miakatra. Misy koa ny fanatonan'ny tompon'andraikitra ny eny an-kalamanjana. Afaka misoratra anarana amin'ny tambajotran-tserasera koa anefa ny olom-pirenena. Ity fomba fahadimy ity hatreto no tena mampiavaka izao fanavaozana izany. Raha ny zava-nisy hita teny amin’ny fokontany sasany, dia mazoto misoratra anarana ny olom-pirenena, hoy ny Sefom-pokontany nanontaniana. Ireo olom-pirenena feno 18 taona noho miakatra koa resy lahatra fa adidy amin'ny maha olom-pirenena ny fisoratana anarana. Any amin’ny fokontany hafa kosa anefa dia mbola hita ho marisarisa ny fisoratana anarana.
Finiavan'ny fitondrana fanavaozana ankehitriny izao fanavaozana ny lisi-pifidianana izao. Mbola fotoana hanatanterahana izay fanavaozana ny lisi-pifidianana izay amin'izao. Koa aoka tsy ho kamo hanao izany ny olom-pirenena tonga taona afaka mifidy, mba hahafahana mandray anjara amin'ny fifidianana hisy eto amin’ny firenena. Raha tanteraka ihany ny fifidianana manomboka amin'ny volana jolay 2027, araka ny vaovao efa navoakan'ny Fanjakana, dia tsy maintsy izao lisitry ny mpifidy hanaovana fanentanana fisoratana anarana izao no hampiasaina amin'ireo fifidianana hifanesy eto. Ny fahazotoan’ny olo-pirenena no erany. Mila manova fihetsika isika, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, sao sanatria tsy ho tafiditra anaty lisi-pifidianana, ka hitabataba indray rehefa tonga ny androm-pifidianana hoe verezin-jo izahay.
Miteraka fanehoan-kevitra samihafa moa ity fanatanterahana ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ity. Fitakian’ny tanora nitolona ny volana septambra sy oktobra 2025 ny handravana ny rafitra rehetra eto Madagasikara, ka isan’izany ny CENI izay mpikarakara fifidianana. Toa ny mpikambana tao amin’ny CENI fotsiny mantsy no nasiam-panovana, hoy izy ireo, fa ny rafitra sy ny fomba fiasa tsy nisy niova. Tsy vitsy ihany koa ireo antoko politika sy fiarahamonim-pirenena, tsy matoky intsony ny CENI, nefa izy ireo indray no nanankinana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Ho azy ireo, tsy tokony mbola natao ny fanavaozana ny lisitra, raha tsy efa vita ny fikaonandoham-pirenena, satria tsy fantatra na mbola voatazona ny CENI hikarakara ny fifidianana, na hisy rafitra vaovao mihitsy, na averina amin’ny Minisiteran’ny Atitany ny fikarakarana izany.
Vao tsy ela no nanao ny fanavaozana manontolo ny lisitra ny CENI, nandritra ny fitantanan'ny mpitondra teo aloha, ka vola very maina raha manapaka ny fikaonandoham-pirenena fa ravaina ny CENI, hoy izy ireo. Mbola mipetraka koa ny ahiahy ny amin'ny mety ho faneken'ny rehetra na tsia ny asa vita eo. Sefom-pokontany notendrena mantsy no ao anatin'ny vaomiera manao ny asa. Ho sanatriavin’ny vava ladin’ny lela ka mbola hiverina indray ny fitarainana fa misy ny ho voahilika anatin'ny lisitry ny mpifidy, indrindra ireo nanohana ny mpitondra teo aloha.
Miankina amin'ny mangarahara apetraky ny CENI no haneken'ny rehetra ny lisitra mivoaka farany eo. Toa ny fanaovana peta-drindrina ny lisitra isam-pokontany ahafahan'ny vahoaka eny ifotony manara-maso ny zava-misy eny aminy. Miankina amin'ny fahafahan'ny antoko politika manara-maso ny lisitra amin'ny an-kapobeny ihany koa ny haneken'ny rehetra ny lisitra farany eo. Efa misy mantsy ireo milaza fa ny olona mitondra no miova eto amintsika, fa ny fanao nataon'ny teo aloha mbola arahan'ny mpandimby azy ireo ihany. Fantatra ihany koa izao fa tsy mazoto mandefa solontena eny amin'ny vaomiera misahana ny fanisana mpifidy eny ifotony ireo antoko politika sy firaisamonim-pirenena. Mahasadaikatra izao ny antontan’isa nomen'ny Filohan'ny CENI fa 2% ihany no mba mandefa solontena amin’izany. Vokatr’izay, dia hisy hatrany ny fimenomenonana sy tsy fanekena ny lisi-pifidianana voafaritra eo, indrindra raha misy ny tsy fahatomombanan’izany.
Eto am-pamaranana, dia hoy ny Arofanina hoe: tsara ny fanavaozana ifotony ny lisi-pifidianana, fa izany tokoa no isan’ny hahamarim-pototra ny fifidianana. Lasa ihany koa anefa ny eritreritry ny Arofanina hoe: dia ho tratra ihany àry ve ny fanamby hisian’ny fifidianana marina sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra amin’izao fanavaozana izao, ka tsy hiverenan’ny krizy politika eto Madagasikara intsony?