Teraka ihany ambatobevohoka rehefa nihazoazo nandritra ny volana maromaro, ka nahabe resaka teny anivon’ny fiarahamonina sy ireo mpisehatra politika teto amin’ny firenena. Dia hiroso amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena amin’izay izany isika e. Iray volana katroka mialoha ny faha herintaona nitrangan’ny hetsi-bahoaka ka nampirodana ny fitondrana Rajoelina, dia nampahafantatra ireo dingana rehetra hirosoana amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, nandritra ny fotoam-pivavahana nokarakarainy teny Andohatapenaka ny talata 25 Aogositra teo, ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara.
Araka ny tetiandro nivoaka dia haharitra valo volana eo ho eo farafahakeliny ny dingana rehetra amin’ity fikaonandoham-pirenena tarihan’ny FFKM ity raha mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanarahana ireo lamina napetraka.
Raha ny fampahafantarana dia aorian’ny volana may 2027 vao mety ho fantatra ny tatitra momba ny fikaonandoham-pirenena hatao eto amintsika io, raha toa ka ny 14 Septambra 2026 no hanomboka ny dingana voalohany amin’ireo dinika isan-tsokajiny, ho fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena. Izany moa dia ialohavan’ny fiofanan’ireo manana andraikitra mandrindra ny ady hevitra eny anivon’ny fokontany, ny kaominina ary ny distrika, ny voalohan’ny volana septambra hatramin’ny 11 septambra. Nofanina teto an-drenivohitra nanomboka ny alarobia hatramin’ny zoma teo kosa ireo mpanofana hiparitaka any amin’ny faritra samihafa. Ny 5 Oktobra 2026 no hatao ny dinika eny anivon’ny kaominina. Ny 26 Oktobra 2026 no hanaovana ny dinika any amin’ny distrika tsirairay avy, ary ny 16 Novambra 2026 no hanaovana ny dinika isam-paritra. Hisy koa ny dinika ho an’ireo am-pielezana, izay hanomboka ny 14 Septambra hatramin’ny 16 Novambra 2026. Any amin’ny volana Marsa 2027 kosa no hiroso amin’ny dinika nasionaly isika. Hatolotra ny komity ivondronan’ny manam-pahaizana ny fehin-kevitra hivoaka aorian’ny volana may, mba harafitra ho volavolan-dalam-panorenana hatolotra ny vahoaka mpifidy.
Ireo ny karazana tetiandro. Fa isany zava-dehibe mandritra ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ny fanomezana sehatra ny vahoaka eny ifotony. Hitondra ny heviny sy ny hetahetany enti-mampandroso sy manatsara ny rafitra sy ny fototra hitondrana ny firenena ny olom-pirenena eny ifotony. Nanome toky rahateo ny mpandrindra ny fikaonandoham-pirenena fa atao anaty mangarahara ny fomba fiasa sy ny fomba hitanana ny hevitry ny vahoaka, ka tsy tokony hisy hampisalasala ny fitondrana izay hevitra izay. Etsy an-kilany, tsy vita anatin’ny fotoana fohy sy tsy ho vitan’olon-tokana ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny minisitra misahana ny fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa, fa ilaina ny fifandrombonana sy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny mpisehatra rehetra. Manamarina izany rahateo ny rafitra natokana hisahana ny fanatanterahana ity fikaonandoham-pirenena ity, izay tarihan’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy, ny fisin’ny filankevi-pitantanana, izay ahitana an’Andriamatoa isany Serge ZAFIMAHOVA sy Zaza RAMANDIMBIARISON. Ankoatra ireo, ny fisian’ny komity teknika izay eo ambany fitarihan’ny fiadidiana ny primatiora ary ny vondron’ny mpanolotsaina.
Tanjona napetraky ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ny hamolavolana lalàna mankany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ka tsy azo ekena intsony ny fiverimberenan’ireo krizy eto amin’ny firenena. Tsy tokony hisy intsony ihany koa ny fanodinana ny hevitra miainga eny ifotony toy ny nitranga tany amin’ny taona 2009. Hafa ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny dinika santatra natao. Niova teny am-pandehanana anefa izany rehefa nivoaka ny volavolan-dalam-panorenana narafitry ny teknisiana, naroso ho lanian’ny vahoaka taty aoriana, ka nahatonga an’ireo mpisehatra nitaraina momba izany. Hoy ny Arofanina etoana hoe: manana tombony sy anjara hitondra hevitra amin’ny fanovana ny tantaran’ny firenena ny olom-pirenena tsirairay fa tsy tokony hiraviravy tanana, ary tsy tokony hanilika andraikitra rehefa mivoaka ny fehin-kevitra. Koa alao hery ary fa ny valala tsy indro mandry am-bavahady, mila mandray an-tanana ny hanatsarana ny hoavin’ny taranaka fara mandimby isika olom-pirenena ankehitrio. Efa tongotra mby an-dakana izy ity ka tsy mipody intsony.