.../… Nivaly iny ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Lasa ihany ny eritreritra hoe moa azo lazaina fa tafita amin’ny fianarana ve ny afa-panadinana bakalorea? Mbola hanohy sa hijanona hatreo ? Fianarana aiza no aleha ? Baraingo mieloelo an-tsain'ireo tanora afaka bakalorea izany rehetra izany. Dia hanao inona tokoa aorian’ny Bacc? Raha hitady asa moa sarotra satria tsy ampy ny ho amin’izany ny mari-pahaizana. Na koa mahita ihany fa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizana azo. Dia maro ny tanora no lasa miasa any amin’ny orinasa afakaba. Dia ho aiza na hanao inona tokoa ?...
Varavarana hidirana eny amin’ny Oniversite ny mari-pahaizana bakalorea. Ka ho eny amin’ny Oniverstem-panjakana, izay efa maro mpandeha nefa vitsy no horaisina, sa ho eny amin’ny tsy miankina, izay mila enti-manana ara-bola misimisy, ary lalam-piofanana inona no arahina ? Etsy an-kilay, maro koa no very hevitra hoe : aiza no hanohy ny fianarana ankoatra ny eto an-toerana, satria raha ny zava-misy eto Madagasikara, dia hita fa tsy ampy handraisana ireo mpianatra afaka bakalorea ny fotodrafitr’asa eny amin'ny oniversitem-panjakana. Eo koa ny olana mateti-pitranga dia ny fitokonana ataon’ny mpianatra saika isan-taona, noho ny fahataran’ny vatsi-pianarana. Toraka izany koa ny fitokonana ataon’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mitaky ny zony : toy ny tambin-karama sy tombon-tsoa samihafa. Ireny rehetra ireny dia mitarika fihatoan’ny fampianarana volana vitsivitsy, na mety ho taona fotsy mihitsy aza.
Noho ireo olana mateti-pitranga eny amin'ny oniversitem-panjakana dia mirona any amin'ny sekoly ambony tsy miankina ny mpianatra afaka bacc izay manana fahafahana ara-bola ny amin’izany koa. Fa fanontaniana iray koa ny hoe ara-dalàna aram-panjakana daholo ve ny fijoroan’ireny sekoly ambony tsy miankina ireny? Ary moa nahazoana fankatoavana tamin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony daholo ve ny mari-pahaizana na diplaoma avokan’izy ireny ? Niaraha-nahita ohatra ireo tanora velon-taraina, satria tsy ara-dalàna ny fanofanana omen'ny sekoly ambony tsy miankina iray tany avaratry ny Nosy tany.
Anisan’ny mamotika ny fanabeazana ny tanora Malagasy ihany koa ny resaka dokam-barotra ataon’ny sekoly tsy miankina sy ivotoeram-panofanana arak’asa sasany manao izay hisintonana ny tanora fotsiny. Dia vakiana bantsilana eto ny peta-drindrina teny andalam-be izay nataona ivotoeram-piofanana iray, milaza fa mandray mpianatra ambaratonga ambony tsy afaka bacc, nefa ny diplaoma omeny avy eo lazaina fa Bacc + 3 na Licence, Bacc +4 na +5 na Master one na Master 2. Dia ho gaga ve isika raha miha-potika tsikelikely ny fampianarana sy fanabeazana amin’izany fomba mamohetra izany.
Fa ankoatra ny fisafidianana ny sekoly ambony hanohizana ny fianarana, dia tokony hahay misafidy ny lala-piofanana arahina mifandraika amin’ny sokajina bacc azony koa ny tanora e, mba tsy ho lany andro manandrakandrana fotsiny ka sanatria telo taona teny amin’ny oniversite, fa mbola taona voalohany ihany amina taranja telo samy hafa. Fa raha vao lalam-piofanana tsy manome zotom-po sy fikirizana ny mpianatra koa aloha no safidiny, dia hinoana fa tsy ho tafita hatramin’ny farany izy e. Fa miankina amin’ny asa irin’ny mpianatra koa ny safidy hatao amin’ny lalam-piofanana arahany. Ka tsara ihany ny mitsidika ireny hay ranty ireny, fa isan’ny tena manampy ny mpianatra izany. Tsy vitan’ny mampahafantatra ny lalam-piofanana fotsiny mantsy izy ireny, fa manoro koa ny asa hatao rehefa vita ny fianarana amin’ny lalam-piofanana safidiny. Fehiny, mila mahalala ny tenany sy ny talentany ny mpianatra rehefa hiditra eny amin’ny anjerimanontolo, mba ahafahan’izy ireo mahomby hatramin’ny farany.
Manolona ireo olana samihafa sedrain’ny fampianarana ambony eto amintsika ireo, isan’izany ny tsy fahafahan'ny mpianatra manohy fianarana, dia mba manaitra ny fitondram-panjakana, indrindra ny Minisiteran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, mba hitady vahaolana maharitra. Sao tokony hitarina ihany ny fotodrafitr’asa fampianarana eny amin’ireny Oniversitem-panjakana efa mijoro ireny, tohizana ny fametrahana oniversite amin’ny faritra izay tsy mbola misy. Ka na miova aza ny fitondrana, ny raharaham-panjakana mitohy hatrany.
Tokony hampiana ihany koa ireo mpampianatra. Mitaraina moa ny mpampianatra eny amin’ny oniversite fa tsy ampy ny isan’izy ireo. Etsy an-kilany koa, mangataka ho ampidirina mpiasam-panjakana ireo mpampianatra an-tselika na vacataire an-jatony maro. Zava-dehibe ny fanomezan-kasina ireo mpampianatra. Izy ireo mantsy no mampita fahalalana ho an'ny taranaka. Tokony aloa ara-potoana avokoa ny tambin-karama sy ny ora ambony ampanga, izay saika mampitaraina azy ireo isan-taona, ary mitarika fitokonana izay mahatonga ny fampianarana ho tapaka. Fa kosa tena mitaky tamberin’andraikitra amin’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra izany rehetra izany. Asa sy andraikitra efa nekeny io, ka tokony tanterahiny an-tsakany sy an-davany. Firifiry tokoa moa ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo no mitaraina fa zara raha mampianatra ireo lazaina fa mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Maro amin’izy ireo koa no variana amin’ny fampianarana any amin’ny oniversite tsy miankina any, fa toa hoe be vola hono any! ka manao an-tsirambina ny fampianarana eny amin’ny oniversitem-panjakana. Ny fon'ny mahalala ihany no anipazana ny teny e !
Fa tokony hamafisin’ny fanjakana ihany koa aloha ny fanaraha-maso ireo sekoly ambaratonga ambony tsy miankina ireo e, mba ho ireo tena mijoro ara-dalàna no hianaran'ny tanora. Ary tokony hamoraina ny fidiran’ireo izay mbola tsy ara-dalana ho eo amin’ny valan’ny ara-dalàna. Fa rehefa tsy mbola vonona hiroso amin’izay fepetra sy fenitra takiana izay kosa dia tokony akatona tsy misy hatak’andro satria faly mitango ny volan’ny zanaka malagasy fotsiny.
Tsy tokony ankinina amin’ny fitondram-panjakana irery ny sehatry ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Manana andraikitra amin'ny famolavolana ny tanora koa na ny sekoly ambony miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ary mbola mijanona ho mpanabe ny tanora voalohany ihany koa anefa ny ray amandreny. Arofanina ho an’ny tanora afaka bacc ireo tsy hahavery momoka ny 11 taona efa nilofosany ary mba hananany vina lavidavitra kokoa.