.../… Araka ny efa nambaran’ny Fitondram-panjakana malagasy ankehitriny dia hiatrika fifidianana isika amin’io taona 2027 io. Ho fiomanana sahady amin’izany, dia iny nampahafantarina ny herinandro teo tetsy amin’ny CCI Ivato iny ny fehin-kevitra tapaka hanatsaràna ny fifidianana voalohany amin’ny taona ho avy, taorian’ilay fakan-kevitra nataon’ny filoham-panjakàna teny amin’ny Lapan’i Iavoloha tamin’ny volana septambra teo. Voaresaka tao avokoa ireo pitsopitsony heverina hampisy fifidianana madio, sy mangaraharaha, ary eken’ny rehetra, ka nofintinina anaty teboka 23 izany...

Tanjona ny tsy hampisy krizy lava eto amin’ny firenena intsony, noho ny olana ateraky ny fifidianana. Teo ny hoe : ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalampanorenana no hirosoana voalohany, na mbola tsy fantatra aza na Eny sa Tsia no hampiasaina na fisafidianana Lalampanorenana roa noho mihoatra. Tao koa ny momba ny lisitry ny mpifidy, ny fampahafantarana ny volavolan-dalàmpanorenana hofidian’ny olom-pirenena, ny resaka fampielezan-kevitra sy ny lalàna famaizana mifandraika amin’izany, ny androm-pifidianana natao Alahady, ny taratasin-datsa-bato tokana ihany, ny fahafahan’ny Olompirenena any ivelany mifidy, ny fikirakiràna sy ny famoahana ny vokatra sy ny fahafaha-mitory amin’ny valim-pifidianana.

Heverina fa tena fanadiovana tokontanim-pifidianana tokoa no natao tetsy amin’ny CCI iny, ka nohatsaraina izay azo nohatsaraina niainga tamin’ny lesoka hitan’ny mpanao politika sy ny Firaisamonim-pirenena hatramin’izay. Azo lazaina fa takona ihany ny hevi-bahoaka tamin’io dinika io, satria maro ireo niandrandra fa tokony any amin’ny fikaonandoham-pirenena no hanapahana izany. Na izany aza, dia lany ieran’ny besinimaro nanatrika ny dinika ireo fehin-kevitra notanisaina ireo, na teo aza ny ankolafin-kery sasany nitondra fanamarihana tamin’ny tsangan-tànana nankatoavana azy. Efa tsara aloha ny dingana vita, satria mahay mifampiresaka sy mahita marimaritra iraisana ihany ny samy Malagasy, fa tsy iandrasana vahiny hanelanelana. Ny hevitry ny maro tokoa no no maha-taka-davitra, ary tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana, na dia heverina aza fa tsy mahasolo tena ny vahoaka rehetra ireo nanapaka ny fehin-kevitra. Milaza eto ny Arofanina fa dingam-panavaozana iny vita iny, fa ampahany kely ihany satria momba ny seha-pifidianana fotsiny ihany. Mby aiza ireo fanavaozana ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena ? Heverina fa any amin’ny fikaonandoham-pirenena, miainga any ifotony tokoa angaha no hanapahana izany, ka miandry isika fa ho avy izany. Angamba …. miandry fa Gasy.

Dia samy miandrandra ny rehetra mba izay hevitra lany ieran’ny besinimaro tokoa no hampiharina, ary tena hampiharina sy hajaina izay voalaza, ary hatsahatra tsy misy hataka andro ny fomba fanao tany aloha amin’ireo kajikajy sy tiatia kely samihafa hijerena tombontsoan’olom-bitsy na vondron’olona fotsiny ihany. Firifiry moa izay tondrozotra sy fifanarahana vita sonia teto izay, fa ny hatao ihany no hatao. ‘Ndao mba entin’ny Arofaninana tany amin’ny 15 taona lasa tany ohatra isika, amin’izay resaka fanangonan-kevitra hanovàna ny tsy mety izay. Efa nandeha teto ny «Dinika santatra », « Teny ifampieràna », fa aim-bery maina, maty an-karanany sy lanin’ny fotoana teny am-pandehanana ilay fanovana tian-kapetraka tamin’izany fotoana. Aza gaga isika raha lasa marisarisa amin’ny fandraisana anjara amin’ny raharaha politika ny vahoaka tsimandadiharona.

Hoy àry ny Arofaninana hoe : alao hery ry Olompirenena vanona, ‘ndao ry tompon’andraiki-panjakàna vonona, fa izao no fotoana fa tsy hiandry rahoviana indray, mba tsy handiso fanantenàna indray ireo izay niandrandra fanovana sy fanavaozana. Lasa saina ihany ny Arofanina eto hoe : ahoana ny tohiny ? satria havadika lalàna velona ireo fehin-kevitra tapaka, ka iza no hamolavola azy ? mbola handalo ny fankatoavan’ny Governemanta ve ? Raha hatolotra hodinihina eny amin’ny Antenimierampirenena, ho tratra amin’izao fivoriana ara-potoan’ny Solombavambahoaka izao ve ? satria tokony ho tonga 15 andro mialoha ny handinihina azy izany ? Heverina fa izay fomba fiasa hisy amin’ny famadihana ho lalàna io fehin-kevitra tapaka tetsy amin’ny CCI Ivato io no hahitàna taratra ny fomba fiasa hamolavolàna ireo soson-kevitra ho voaangona amin’ny fikaonandoham-pirenena. Dia Eo isika mahita izy !!!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 novambra 2026

• Mahaiza miaina amim-pilaminana ary samia manao tsara ny asany. Io no hafatra nanentanan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny mpino rehetra, taorian'ny Fivoriambe izay notanterahin'izy ireo teto Antananarivo… • Nifarana omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, izay notanterahana tany amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra 1126 no niatrika izany… • Làlana iray itomboana ny aretina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...