♦ Nankahery ny fianakaviam-be saleziana amin'ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fanabeazana ny tanora, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Joany Bosco, ny talata 31 janoary 2023... ♦ Feno 25 taona katroka tamin'ny 31 janoary 2023 ny Radio Tsiry ao Fianarantsoa... ♦ Nanomboka ny 31 janoary 2023 ny fitsidihana apôstôlika faha-40 ataon'ny Papa François...

♦ Efa nivoaka ankehitriny ny vavaka ho an'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3, izay hotanterahana eto Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Notontosaina omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Gustavo Bombin Espino, izay nitantana ny Diôsezin'i Mahajanga tao anatin'ny efa-taona... ♦ Notanterahana omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, izay notendren'ny Papa François, ho mpiandry ondrin'ny Diôsezin'i Mahajanga...

♦ Notanterahana tamin'ny 7 janoary lasa teo ny fanamasinana diakra roa, sy fanamasinana pretra avy amin'ny Fikamabanan'ny Pretra Misiôneran'ny Fianakaviana Masina. Tao amin'ny Paroasy Ambalavao, any amin'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa no nanatanterahana izany... ♦ Nankalaza ny faha-100 taona niorenany ny Kôlejy Masina Misely Itaosy, izay tantanan'ireo pretra Karma, tamin'ny alatsinainy 23 janaoary 2023, tamin'ny alalan'ny Eokarisitia Masina notarihan'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka Mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...

♦ Tontosa omaly ny fankalazana ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, sady nanolorana ihany koa ny solom-pen'akoho ho an'ireo seminarista teny an-toerana... ♦ Fanehoana kanto ara-panahy sy famelabelaran-kevitra no nampiavaka ny fankalazana ny Andron'ny Tenin'Andriamanitra, tamin'ny sabotsy 21 janoary 2023, nanoloana ny Librairie Saint Paul Analakely... ♦ Nanatontosa ny fitsidihana pastôraly tao amin'ny Diôsezin'Ambanja, tao amin'ny Fiangonana Masindahy Pierre sy Paul, Nosibe Hellville, i Mgr Donatien Francis Randriamalala, tao aorian'ny fanamasinana azy ny 15 janoary 2023...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...