♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala sy ny fametrahana azy ho Mpinadry ondrin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nanatanteraka ny Andron'ny fiainam-panahin'ny Finakaviambe Salezianina, ny Salezianina eto Madagasikara, omaly... ♦ Rehefa avy nanao batemy an'i Jesoa teo Jordany i Joany Batsista, avy hatrany dia nanatanteraka ny iraka ho azy, tsy nila dera ary tsy niandry valisoa. Nanentana ny pretra rehetra sy ny relijiozy ny Papa, nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba hoentanin'io fanahin'ny fanompoan'i Joany Batista io...

♦ Nigadona tao amin'ny Diôsezin'Ambanja ny maraina teo, i Mgr Donatien Francis Randriamalala. Noraisin'ireo mpino kristianina tao tamin'ny fitiavana sy fifaliana teo amin'ny tetezan'i Sambirano... ♦ Vaovao momba ny "Logo" sy ny hira faneva entina miatrika ny Andro Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, izay hotontosaina eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Ny momba ny zotom-po apôstôlika no fampianarana nentin'ny Papa François, nandritra ny "Audience générale" tamin'ny alarobia 11 janoary 2023...

♦ Hotanterahana ny 15 janoary 2023, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Donatien Randriamalala, izay voatendrin'ny Papa ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Tafiditra ao anatin'ny andiany faharoa amin'ny Sinaody andiany fahafito izay iainanan'ny ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izy ireo ankehitriny, ifanentanana amin'izany ny hoe "Diôsezy maitso"... ♦ Ny 22 janoary 2023, no hankalazan'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay natokana hitondrana am-bavaka sy hanohanana azy ireo...

Noho ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana sy ho fandraisana ny Taona Vaovao 2023, dia mirary soa ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...