• Voaantso hitondra ny soatoavin'ny Evanjely eo amin'ny fiaraha-monina ny olon-dehibe. Io no manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe, hotanterahana any Morondava amin'ity taona ity... • Aoka isika tsy hihanina amin'ny fomba fiheverana maha olombelona fotsiny, hoy ny Papa François, tamin'ny lahatsoratra nomaniny ho an'ny fandalinam-pinoana ny alarobia lasa teo... • Hotanterahana any Roma, ny 8 sy 9 marsa 2025, ny Jobilin'ny Mpirotsaka an-tsitrapo, ka olona eo amin'ny 25.000 isa eo no heverina ho tonga hanatrika izany...

• Hotanterahana ny 28 hatramin'ny 31 aogositra 2025, any amin'ny Diosezin'i Morondava ny Androm-pirenena ho an'ny Lehibe andiany faha-2... • Ankalazaina amin'ity taona 2025 ity ny faha-800 taona namoronan'i Masindahy François ilay atao hoe "Antsan'ny zava-boahary"... • "Tsapako ato am-poko ilay fitahiana izay miafina ao anatin'ny faharefoana". Io no votoatin'ny hafatra sady fampianarana nifampizaranan'ny Ray masina omaly, toy ny fanaony isan'alahady amin'ny vavaka Angelus, na dia any amin'ny hopitaly aza izy...

• Manatanteraka ny fihaonambe voalohany amin'ity taona ity, ireo pretra ao amin'ny Secteur Avaratra, Diôsezin'Antsiranana... • Andao hiara-dia ao amin'ny fanantenana, io no lohahevitra anentanan'ny Ray masina ny kristianina rehetra maneran-tany, amin'ny karemy 2025... • Afaka natory tsara ny Papa François nandritra ny alina, araka ny loharanom-baovao avy ao amin'ny Fiketrahana Masina...

• Hosokafana ny 14, 15 ary 16 marsa 2025, any amin'ny Diosezin'i Morondava ny faha-800 taonan'ny Antsan'ny zavaboahary, ao amin'ny Fianakaviambe Fransiskana... • Nanatanteraka ny anjara fankalazana ny Jobily 2025 ny Tafika tao amin'ny Distrikan'i Betafo, Diosezin'Antsirabe, ny alahady 23 febroary 2025... • Fototry ny asa fanompoana maha Diakra ny asa tsy ilana tambiny, hoy Papa François, tao anatin'ny fampianarana nomaniny ho fankalazana ny Jobilin'ny Diakra...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...