♦ Diakra 29 no nohamasinina tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ny sabotsy lasa teo. Nitohy tamin'ny fivahinianana masina izay fanao isan-taona ny fandaharam-potoana... ♦ Ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina dia nankalazaina omaly ny faha-19 taona nijoroan'ny Aumônerie Catholique Sainte Croix Analakininina. Tamin'izany koa no nanokafana amin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Fiangonana izay homarihana amin'ny taona 2023... ♦ Nandritra ny vavaka Angelus no nitondran'ny Papa François fampianarana mahakasika ny fiainana mandrakizay...

♦ Hotanterahana ny 24 sy 25 septambra 2022 any Ambatondrazaka ny Andro Nasiônaly ho an'ny Lahika... ♦ Mitondra aim-panahy sy fisokafana ho an'ny tanora ny fiatrehana ny JMJ Mada... ♦ Manentana ireo Trapista hiroso amin'ny lalina amin'ny fihainoana ny fanirian'i Kristy, ny Papa François...

♦ Ho fanamarihana ny faha-140 taona nitoriana ny finoana tao amin'ny EKAR Ankosy, Diôsezin'Ambositra, dia notsofin-drano omaly ny tsangambato lehibe : Lakroan'ny Fanavotana... ♦ Nosokafana tamin'ny sabotsy teo ny fankalazana ny faha-90 taona nahatongavan'ny fikambanan'ny Misionera Montfortains teto Madagasikara. Tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina no nanatanterahana izany... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny "Centre Préventorium" izay tantanan'ireo Masera Ursulines any Analaroa, izay mandray sy mikarakara ireo zaza manana olana eo amin'ny taolana...

Olon'ny fihavanana sy mpanasoa ny mpiara-belona i Mgr Philippe Ranaivomanana. Tia sy nahay nifandray aman'olona izy. Laharam-pahamehana ho azy ny fampivelarana ny talentan'ny hafa. Toetra nanahafany an'i Jesoa Kristy ilay narahiny ireo, izay nahafoy ny ainy mba hanavotra ny olombelona. Fahatsiarovana an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe, nodimandry ny 06 septambra 2022.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...