♦ "Tranobe ho an'ny rehetra, andeha havaozintsika ny tranon'Andriamanitra", io no lohahevitry ny fahatsiarovana ny "Taonan'ny fahariana", ny 1 septambra ka hatramin'ny 4 ôktôbra 2021... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'Ihosy ny sary famantarana an'i Masina Maria niseho tany La Salette, nanomboka ny 28 aogositra 2021... ♦ Hotanterahana any Budapest, Hongrie, ny Kôngresy Eokaristika iraisam-pirenena, manomboka ny 5 hatramin'ny 12 septambra 2021...

♦ Homarihana manomboka ny 1 septambra 2021 izao ny fankalazana ny faha-120 taonan'ny Eglizy Iraka Masina Misely Arkanjely, ao Antsiranana... ♦ Nifarana omaly ny fiofanana ntaon'ireo katesista 66 mianadahy tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanao antso avo amin'ny mpino katôlika, ny Papa François, mba hifady hanina sy hivavaka ho an'i Afghanistan...

♦ Nomarihina nanomboka ny 26 aogositra 2021 ny fankalazana ny faha-80 taona naha "Vicariat apostolique" an'i Miarinairvo... ♦ Ny pretra fransiskanina no hitantana ny sanctuaire mitondra ny anaran'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, ao Farafangana... ♦ Mifandraika ny lalana sy ny fahafahana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy nandirtra ny "Audience générale", ny alarobia 25 aogositra 2021...

♦ Tontosa ny fitsidihana pastôraly nataon'i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, tao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nijoro ny Birao Mpandrindra ny FIFAKRI ao amin'ny Diôsezin'i Mananjary... ♦ Hotanterahina any Toliara ny 14 hatramin'ny 16 septambra 2021 ny filan-kevitra nasiônalin'ny Ekipan'ny Raozery... ♦ Manampy amin'ny fanohanana ireo traboina noho ny horohorontany ny Caritas ao Haïti...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...