♦ Efa nivoaka ho boky ny angon-kevitra natao nandritra ny fanomanana ny Sinaodin'ny Eveka, hatao amin'ny taona 2023, ho antsika eto Madagasikara... ♦ Notokanana omaly ny Seminera Zokiny misy ny Filôzôfia, iraisan'ny Arsidiôsezy Atsinanana, ka ao Analamalotra ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina no misy azy... ♦ Nôvisy roa ambin'ny folo mirahalahy no niroso nanao ny voady voalohany ao amin'ny fikambanan-drelijiozy Karma...

[Miara-dàlana] Zoma 1 desambra 2023

♦ Mitondra ny akon’ny Sinaodin’ny Eveka, Eglizy miara-dia, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina… ♦ Mitodika bebe kokoa amin’ny olona manana fahasembanana ny vavaka iarahana amin’ny Papa François amin’ity volana ity… ♦ Nosokafana omaly 30 nôvambra tao Dubaï ny COP andiany faha-28...

Tohiny...

Tsara ny Noely, raha...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...