Ny fihariana nomerika dia ilàna fahafantarana zavatra maro. Tsy azo lavina intsony fa ny andavanandrom-piainan'ny malagasy dia tsy afaka misaraka amin'ny aterineto. Tsara arak'izany raha mianatra mifehy ireny fitaovana ireny mba hirosoana anatin'ny tontolo mivoatra hatrany. Fandaharana "miaina sy mitia", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fahefana anaty dia fahefana ara-baiboly : " Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo " hebrio 4, 12. Ny fahefana anaty dia azo hazavaina ara-tsiansa. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Manao tantsoroka amin'ny fanohanana ara-tsakafo an'ireo mponina ianjadian'ny tsy fanjarian-tsakafo any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy ny mpiray ombon'antoka amin'i Madagasikara, isan'izany ny governanta britanika. Nanolotra fanampiana 2 tapitrisa Livres Sterling, manodidina ny 2,16 tapitrisa dôlara ho an'i Madagasika hotantanan'ny fandaharan'asa eran-tany momba ny sakafo na ny PAM izy ireo hanohanana ara-tsakafo ny mponina any atsimo.

Ny varisy  dia fihitaran'ny haben'ny lalan-drà "veine" noho ny fahaverezan'ny fizozorany, ity lalan-drà ity dia ilay fantsona mitondra ny rà maloto miverina any amin'ny fo. 30 hatramin'ny 35% ny vehivavy no mety ho tratry ny varisy ary 15 hatramin'ny 30% ny lehilahy. Ny varisy dia  misy karazany roa : ny voalohany , ireo hita ety ivelany izay mitarika amin'ny faharatsian'ny endrika sy bika, ny faharoa dia ireo tsy tazana fa any anaty nofo. Ny faritra mety hisy azy amin'ny vatan'ny olombelona : fe, ranjo, tampon-tongotra, ny hoditra fonon'ny vy ho an'ny lehilahy. Ny antony : tarazo, fihoaran'ny lanja, vokatry ny fitsaganana na fipetrahana lava, na mandry lava, vahanterana, ary farany olona amin'ny fitondrana vohoka...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...