Ny fanajàna ny aina no mametraka ny fahamendrehan'ny olona araka ny noharian'Andriamanitra azy. Manoloana ireo endrika maro samihafa mivohy ny tsy fanajàna ny aina, dia ilaina ny fanamafisana ny fanabeazana indrindra ny tanora. Ilaina ihany koa ny fiainana sy fitiavana marina eo anivon'ny fianakaviana...

Mila mizara fihetse-po amin'ny hafa isika mba tsy hisian'ny fiatsarambelatsihy. Aza mihevitra hanova olona fa ianao aloha no manao ezaka hiova ho tsara kokoa. Amin'ny alalan'ny saina no ahafahana mampita hevitra, betsaka amintsika anefa no tsy milaza ampahatsorana ny ao an-tsaina. Antony maro no tsy hananana toe-tsaina mangarahara : tahotra, tsy fahatokisan-tena sy ny olona hafa, tsy fifankahazoana, te hisongadina, rivo-panabeazana sy kolotsaina...

Manohana an'ireo tanora hiatrika ny fampandrosoana eny ambanivohitra amin'ny alalan'ny fampiofanana sy tohana atao azy ireny ny tambazotra FARMADA, rafitra ivondronan'ireo mpampiofana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra.

Tsy heloka ny fahafahan'ny zazarano raha tsy mifanaraka amin'ny nokendrena ny fitazomana azy, noho ny fitsaboana tsy azo ialàna, mba ho fahasalaman'ny reny. Araka ny lalàm-pitondrantena izany. Vokatra ankolaky ny asa tsy fanalan-jaza ny fahafahan'ny zaza amin'izay. Tsy azo odian-tsy fantatra na atao ambin-javatra ny fitondrana vohoka vokatry ny fanaovana an-keriny sy ny zava-tsarotra mbamin'ny antony ambadika.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...