Mbola manohy ny sehatr'asany hatrany ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny amin'ny kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo-Avaradrano. Na teo aza ny fahasahiranana samihafa nolalovana isan'izany ny valan'aretina covid-19, mbola mijoro ary manohana ity Foibe ity ny mpiara-miombon'antoka samihafa... 

Miantoka ny fahasalamana sy ny fahatokisan-tena ny nify ka mila fanaraha-maso sy fikarakarana tsy an-kiato. Maro ny antony samihafa toy ny tahotra, ny ara-bola, ny tsaho, ny finoanoampoana isan-karazany mahatonga ny olona tsy hikarakara loatra ny nify. Vokatr'izany ratsy ny nify, mitarika aretina maro sy tsy fahatokisan-tena eo amin'ny fifandraisana aman'olona.

Ny aretina pesta dia efa nisy teto ambonin'ny tany 20 000 taona lasa izay, fa tamin'ny taona 1894 kosa vao fantatra mazava tamin'ny alalan'ny fikarohana nataon'i Dr Alexandre Yersin. Tamin'ny taona 1898 no tafiditra teto Madagasikara ny peste noho ny fidiran'ny olona nararin'ny pesta avy any ivelany tamin'ny alalan'ny sambo...

Tsy tokony ho tara ny ady atao amin'ny valala any amin'ny tapany atsimon'ny nosy mba tsy hitarika fahavoazana goavana amin'ny famokarana sakafo eto Madagasikara. Antso avo nataon'ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny Fambolena sy ny Sakafo na ny FAO tamin'ny 10 septambra 2021 teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...