♦ Tontosa ny fitsidihana pastôraly izay notanterahan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, tany amin'ny distrika Ambinanindrano. Tokony handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay, hoy ny Kardinaly, nanafatrafatra nandritra izao fitsidihana izao... ♦ Hotontosaina ao Analavoka ny fankalazana ny fetin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay hotanterahina ny 6 hatramin'ny 9 aogositra ho avy izao, ho an'ny Diôsezin'Ihosy... ♦ Ny Eglizy, ny fanavaozana ary ny Evanjely, ireo teny telo ireo no fitalahoana hanentanan'ny Ray masina antsika, amin'io vola aogositra ho avy io...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...