♦ Natao teto Antananarivo nandritra ny telo andro ny fivoriana voalohany fiomanana amin'ny fanolorana ny pôlitika ara-barotr'i Madagasikara any amin'ny OMC, na ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra... ♦ Nidina ny vidin'ny vary gasy manerana ny distrika miisa 9 any amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Anatin'ny fararano fiakaran'ny vokatra ny any an-toerana amin'izao fotoana izao... ♦ Tsy mbola mivaha hatramin'izao ny olan'ny fananan-tany ao amin'ny kaominina Betsoana distrika Mandoto Faritra Vakinankaratra. Miantso ny fitondrana hamaha ny olana misy ny mponina ao an-toerana... ♦ Mbola miaina tondra-drano govana ny any Bresil amin'izao fotoana izao. Olona 100 mahery no maty...
♦ Telo taona sy tapany an-tranomaizina. izay no sazy navokan'ny fitsaràna britanika ho an'ny tale kabinetran'ny filohan'ny repoblika teo aloha Ramatoa Romy Voos Andrianarisoa. Didim-pitsarana noho ny raharaha kolikoly nanenjehana azy... ♦ Manahy amin'ny ho avin'ny orinasa iasany manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana ao amin'ny OMNIS ireo mpiasa. Nisy omaly ny fivoriambe niarahan'ny mpiasa tamin'ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny JIRAMA ny fampiharana ny vidin'ny tena izy amin'ny jiro sy rano hoy ny Fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Miantso an'i Israël hanajanona ny fanafihana ataony ao Rafah faritra atsimon'i Palestine ny firenena tandrefana...
♦ Velona ahiahy amin'ny ho aviny, manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana misy eo anivon'ny OMNIS, ireo mpiasa... ♦ Tanora avy amin'ny tontolo ambanivohitra miisa 142 no tafiditra miasa amin'ireo orinasa samihafa vokatry ny tetikasa Pro-Agri-Youth, izay tanterahan'ny OIT eto Madagasikara... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny orinasa Jirama ny fampiharana ny vidiny tena izy amin'ny jiro sy ny rano, hoy ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...
♦ Andrasana amin'izay ho Solombavam-bahoaka vaovao ho lany eo, ny fandraisana fepetra hentitra amin'ireo mpitondra tsy manaja ny Lalam-panorenana sy tsy manome hasina ny andrim-panjakana, hoy Andriamatoa Constant Raveloson... ♦ Hihamafy ny fanapahan-kevitra horaisina amin'ny fivoriana tsy ara-potoana hataon'ny Sendikàn'ny Mpirakidraharaham-pitsarana eto Madagasikara, raha toa ka mbola minia manampin-tsofina amin'ny fitakiany ireo tompon'andraikitra...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco